Taratra

Lehilahy hita faty : Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ar

Nanjavona tao an-trano nahitana ny vatana mangatsikan’ilay lehilahy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampam-pikarohana ny ady heloka be vava, afakomaly. Ahina ho nalain’ny olon-dratsy izay nahavita namono nahafaty an’i Nomenjana­hary Élysio ny vola, raha ny loharanom-baovao. Tsy hita nanomboka ny 10 aogositra […]

Moto nifandona tamin’ny kamiao: Mpianaka niara-namoy ny ainy

Olona efatra matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samy hafa, tao anatin’ny telo andro. Mpianaka nitondra moto tra-doza tao Ilempona, omaly. Nifandona tamin’ny kamiao mpitatitra simenitra, maty tsy tra-drano ireo roa lahy mpianaka nitaingina kodiarandroa teny amin’ny RN7, avaratr’Ilempona, Antanifotsy, omaly tolakandro. Niainga avy any Andramasina izy mianaka no nitaingina […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny Tranombokim-pirenena fa mikatona izy ireo ao anatin’ny roa herinandro, manomboka anio hatramin’ny 28 aogositra izao. Hatao izany mba hisian’ny fotoana hahafahana manao ny fanisana ireo tahirim-boky sy hanaovana ny lamina samihafa hirindran’ny famakiana boky.

Toamasina : Hamafisina ny ady amin’ny Mpox

Amin’izao fotoana maha betsaka ny mpiala sasatra izao, tena ilaina ny fanentanana sy fahamailoana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox. Fanentanana eny ifotony momba ny ady amin’ny Mpox niarahana tamin’ny sefo fokontany sy ny lehiben’ny boriborintany tao Toamasina no nataon’ny ekipan’ny Cousp Atsinanana sy ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Toamasina, tamin’ity herinandro […]