Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nandrangaranga ny hanao ampamoaka momba ny olan’ny orinasa Jirama, ny filohan’ny vaomiera mpanadihady eo anivon’ ny Antenimiera, ny depiote Rakotoniaina Pety. Nohitsiny fa tsy rariny ireo tranga amin’ny fitantanana ity orinasam-panjakana ity. Eo koa ny hanatonan’izy ireo amin’ireo tompon’andraikitra tafiditra amin’izao raharaha izao. Mametraka tanjona ho an’ny lisi-pifidianana eken’ny rehetra, […]

MFM: “Tsy azo ihodivirana ny dinika politika”

“Tsy azo ihodivirana handaminana ny firenena ny dinika politika”. Io ny fanehoan-kevitra nampitain’ny filoha nasionalin’ny antoko MFM, Randri­anirina Jean-Ignace, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Ao anatin’izay no hisian’ny fitoniana hiro­soana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Raha halefa avy hatrany ny fikaonandoham-pirenena, mety ho zava-poana ny fanovana tadiavina hatao. Mahatonga ny depiote sasany miahiahy, tsy […]

Mahoraka ny tanàna

  Tanàna maro manerana ny Nosy no mandray hetsika nasionaly amin’izao vanim-potoana fialana sasatra izao. Maresaka ny tanàna. Fety etsy, fety eroa. Samy manala azy araka ny fitenin-jatovo. Toa tsy ahitana taratra akory ny maha firenena mahantra indrindra maneran-tany azy. Tena hadino ny adim-piainana fa mitobatobaka ny fandaniana. “Ambiansy mafana” […]

Rafitra federaly sy fanjakana tokana : Miantso fampieritreretana ho an’ny rehetra ny Otrikafo

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Otrikafo. Anisan’ny nambaran’izy ireo ny fomba fijeriny ny rafitra itantanana ny firenena. «Iza no afaka manome antoka fa ho tafavoaka isika raha hiditra amin’ ny fanjakana federaly ka hiala amin’ny rafitra fanjakana to­kana ? », hoy ny fanontanian’ ny filoha mpanorina […]

TSELATRA

Zaza menavava hita faty nifono tao anaty harona plastika teny amin’ny Makis Andohatapenaka, omaly. Ahina ho narian-dreniny ilay zaza ka natsipiny teny amoron-dranon’Ikopa. Hitan’ny mpandalo ny harona plastika ka nampandre ny polisim-pirenena nisahana ny fifamoivoizana tsy lavitra teny an-toerana izy. Trano efitra telo ravan’ny afo tao amin’ny fokontany Tsimenatsy I […]