Taratra

Ady amin’ny fampiasana ankizy: Natao ny fakan-kevitra teto Analamanga

Natao tamin’ity herinandro ity, ny fakan-kevitra ho an’ny faritra Analamanga, izay handrafetana ny drafitra nasionaly mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy. Nisy ny dinik’asa ka lohahevitra maromaro no naroso tamin’izany, toy ny lalàna sy ny fampiharana azy, ny fampananan’asa, ny fampianarana, ny andraikitry ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa […]

Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany: Nanolotra sakafo sy fitaovana ho an’ny traboina teny amin’ny BNGRC

Mpanohana tsy tapaka ny BNGRC ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty rehefa misy voina na loza miseho ka mahavoa ny mpiara-belona. Hapetraka ho tahiry ireo sakafo sy fitaovana azo hiomanana sahady amin’ny voina toy ny afo sy ny hafa. Efa […]

TARATRY ny KANTO

« Hikalo ny kanton’i Bessa & Lôla ». Araka ny fanazavana nomen’i Faniry Raelison, iray amin’ireo ha­natanteraka ity seho etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny tolakandron’ny 11 mey ity : « 40 eo ho eo ny hira ho hirainay. Ao ireo hira nahafantarana an’i Bessa sy Lôla. Ao ihany koa ireo hira noforoniny ihany koa […]

Tadidy vava: Mila fanarenana lehibe ny tontolon’ny kabary

Miroborobo fatratra ny fampianarana kabary. Ankizy dia efa hita mikabary… Samy maneho fivelarana ireo raha atao indray mijery. Ary raha hidirana lalindalina kokoa, inona ny zavatra hita ? Efa tsara raha ny lanonana rehetra hatrehin’ny Malagasy no hitadiavany mpikabary. Mahavelom-bolo, satria, endrika maneho ny fiverenana amin’ny an’ny tena. Manambara fa ho […]