Nahitana lohan’olona efa simba tanteraka sy tsy misy ahafantarana azy intsony tao anaty tanimbary tany amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Ambano, afakomaly tolakandro. Ankizy teny amin’ny manodidina no nahita izany ka nampilaza ny tomponandraikitra. Efa nitangoronan’ny lalitra sy namoaka fofona moa izy ity, nandritra ny fahitana izany. Nahatratrarana rongony milanja 13 […]
Taratra
Kaominina Mahitsy: Tokantrano valo nasesin’ny dahalo
Nisy naratra tamin’ireo tompon-trano lasibatry ny asan-dahalo tao Soavinimerina, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 30 avrily teo. Andian’olona am-polony nirodorodo nanesy ny tokantrano nifanakaiky tao amin’io tanàna io sy ny manodidina. Nihevitra ireo mpandroba fa misy vola tao amin’ireo trano lasibatra ireo. “Dahalo mety ho manodidina ny 20 eo ho […]
Tapa-bolana nifampitadiavana : Tratra ilay nanolana zaza 8 taona
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny lehilahy nahavanon-doza nanolana zazavavy vao 8 taona monja, tao Ianakasy, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, ny 29 avrily teo. Nirahan’ny ray aman-dreniny naka anana atao laoka maraina teny an-tsaha io zaza io, tamin’ny 18 avrily lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina. Tazan’ny lehilahy iray izy ka […]
Fiara telo nifandona tetsy By-Pass : Olona efatra niara-namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy amin’ny lalana hiditra ny kianja Elgeco plus by pass, ny alarobia tamin’ny 9 ora sy sasany alina teo. Olona efatra niara-namoy ny ainy tao anaty fiara Clio, voadona mafy. Fiara telo samihafa nifandona nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy akaikin’ny kianja Elgeco Plus By-Pass, afakomaly alina. Niavian’ny loza […]
Asa fivarotana eny Analakely : « Tsy misy fitadiavam-bola mora fa atao am-pitiavana aloha ny asa », hoy i Mamy
Maro dia maro tokoa ireo mpivarotra lamba sy kiraro ary bakiraro sy silipo eny Analakely, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireo nanaovana fanadihadiana tamin’izany Rakotobeherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro eny an-toerana. Ny resaka tsena no mibahana ao an-tsaina raha vao miresaka ny eny Analakely. Nilaza Rakotobeherinirina Mamy, mpivarotra silipon-dehilahy sy bakiraro […]




