Nahitam-pidinany ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana raha oharina ny tamin’ny iray volana lasa. Vidina eo anelanelan’ny 2 800 ka hatramin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary Manalalondo, Zanatany, Dista, Makalioka sns. Tafakatra hatrany amin’ny 3 700 sy 4 200Ar ny vidin’ireo teo aloha. Izany hoe, nahitana fihenana manodidina 4,76% ka hatramin’ny 24,32%. Vitsy an’isa […]
Taratra
Fihaonamben’ny FCEM : Mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny vehivavy
Hanampy amin’ny fitadiavana lalam-barotra eto an-toerana sy any ivelany ary hanampy ny fampakarana ny lentan’ny vehivavy malagasy ny fihaonana an-tampony ny kaomity iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy tompona orinasa (FCEM), atao eto Madagasikara, mandritra ny telo andro. «Hanampy amin’ny fampivoarana ny diplaomasia ara-toekarena ny hetsika sady hanampy amin’ny fitadiavana […]
Andaboy : Ny 2 ha ihany no ampiasain’ny Base
Toerana azo ivezivezen’ny rehetra ny morontsirak’ Andaboy. Toy ny morontsiraka rehetra, toerana azo itsangatsanganana ihany koa, toy ny tamin’ny alatsinain’ny Paka teo, izay nahavory olona anarivony, satria nahitana hetsika fialamboly maro. « Milamina ny rehetra », hoy i Anitha. Ho an’i Haraneny Gaëlle, « mazava izao, fa tsy marina ny filazana fa tsy […]
Fandaharanasa DEEP : Halalinina ny fikarohana mahakasika ny fahantrana
Tsy ampy ny fikarohana manodidina ny fahantrana eto Madagasikara. Mikaondoha ny manampahaizana, ny mpanapa-kevitra, tomponandraikitra isan-tsokajiny, hikarohana vahaolana mahomby. Natao teto Antananarivo, ny atrikasa lehibe, entina hikarohana vahaolana maharitra iadiana amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Manatanteraka azy ny Fandaharanasa Antontam-baovao sy Porofo Hanafoanana ny Fahantrana (DEEP), miara-miasa amin’ny tetikasa Arake, midika […]
Tsy nahazaka onjam-piainana: Namoy ny ainy tampoka i Rado
Namoy ny ainy tampoka ny alatsinainy hariva teo, etsy amin’ny kianja fanaovam-baolina Analankinina Hopitalibe i Rado, raim-pianakaviana 43 taona. Manambady ary namela kamboty roa mianadahy izy. Raha ny angom-baovao, mpiasa teo anivona orinasa tsy miankina iray eto an-drenivohitr’ i Toamasina izy teo aloha, saingy efa ho dimy taona izay naaton’ […]




