Taratra

Praiminisitra Ntsay Christian : “Mba ho ao anatin’ny filaminana ny fety”

“Misaotra ny vahoaka malagasy koa ny tenako, satria vita tao anatin’ny filaminana sy fitoniana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna. Mirary ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny farany taona ao anatin’izao filaminana izao”. Io ny valin-tenin’ny Prai­minisitra Ntsay Christian, ta­min’ny mpano gazety, teny Tsimbazaza, omaly, taorian’ny famaranana ny […]

Manara-penitra hoe ? 

  Nifarana omaly iny ny fivoriana ara-potoana faharoan’ireo parlemantera. Inona no zavatra vita? Firy ny lalàna nolaniana? Fanontaniana izay manitikitika ny saina manoloana ity fomba fiasa eto amin’ny tanàna ity. Ny mpanao lalàna indray sanatrian-dresaka tsy manaraka izany. Manakorontana lamina! Nampiavaka ny fotoam-pivoriana tamin’ity indray mitoraka ity ny tsy fisian’ny […]

Andriamananoro Augustin : “Miantso ny rehetra hiandry amim-pitoniana ny valim-pifidianana”

Nirona tany amin’ny fitoniana politika ny kabarin’ny filoha mpisolo toeran’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity Andrimpanjakana ity. «Eo ny raharaham-pirenena. Koa sa­tria vanin’andro mendrika itsaharana politika izao andalovantsika sy iainantsika izao dia heverinay fa tsy tokony handahatra betsaka momba izay aloha isika amin’ity andro anio ity. […]

TSELATRA

Hotanterahina anio, eny amin’ny sekoly ambonin’ny Polisim-pirenena Ivato (ENSP), ny famindram-pibaikoana eo amin’ny kaomandin’ny sekoly. Hivoaka ihany koa ireo mpianatra ho manamboninahitra sy kaomisera. Hanome voninahitra ny lanonana sady hitarika izany ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Lasan’ny jiolahy ny vola 10 tapitrisa […]

Manakan-dalana amin’ny alina : Notanana am-ponja ireo efa-dahy

Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, […]