Voasambotry ny polisy omaly ny iray tamin’ireo nangalatra « camera de surveillance » teny Isotry, afakomaly maraina. Tratra teny Manarintsoa izy io, taorian’ny fikarohana sy angom-baovao samihafa nataon’ny polisim-pirenena napetraky ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’Isotry. Mbola nahitana « tablette » roa sy finday 10 tany aminy. Tapa-tanana ny mpamily […]
Taratra
Tsaramandroso Ambany: Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena avy amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) kaomisiaria foibe any Mahajanga, omaly tamin’ny 1 ora maraina, ny jiolahy iray raindahiny. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily ity olon-dratsy voatafitra ity. Avy nanao fanafihana hafa tany Mahavoky Atsimo izy io no nifanehitra […]
Farihin’i Mantasoa : Telo lahy maty natelin’ny rano
Lehilahy miisa telo izay 19, 22 ary 25 taona niara-namoy ny ainy tao Mantasoa, ny 22 avrily teo. Lakana rendrika no nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Olona telo hita faty tao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny alarobia 23 avrily teo. Niara-nitaingina lakana tao amin’io farihy io ny vatan-dehilahy miisa efatra. […]
Olana tamin’ny karama: notsindromin’ilay tovovavy antsy ny mpampiasa azy
Notanana vonjimaika am-ponja any Antsiranana, omaly, ilay tovovavy 19 taona, mpiasa an-trano, rehefa nalaina am-bavany teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Nahavita nanindron’antsy ka nahafaty ny mpampiasa azy (renim-pianakaviana 52 taona) tany Sengaloka Ambilobe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo. Tonga nilaza ny fahafatesan’ity mpampiasa azy izy ora vitsy taorian’ny tranga. […]
Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida
Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifampizara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana nataony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida. Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo […]




