Misy, miaina ary mampiaina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny amboaran-tononkalo « Ankaromiafina » […]
Taratra
Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison
Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison… Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy. Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Raelison, andrarezin’ny hira malagasy, nodimandry tany Tampon […]
Lazam-balala no betsaka: Kolontsaina tsy hita hantenaina ?
Midadasika i Madagasikara. Manana kolontsaina maro. Ao ireo tazana ny vokatra hoentiny. Tsy vitsy ireo tafajanona eo amin’ny endrika ivelany fotsiny. Hatramin’izao, mbola farahidiny ny Malagasy. Tsy mandray anjara amin’ny fiainany ireo kolontsaina ambara fa harenany ? Manan-karena kolontsaina, hono, ny Malagasy ! Karazan-kira sy dihy maro, hono, no hita […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny sabotsy ho avy izao, eny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, ny fifidianana ireo ankizy, ao amin’ny sokajin-taona 15 taona no ho midina. Izany dia tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa Talent Development Scheme (TDS). Ny teknisianina avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena (Fifa) sy ny eo anivon’ny FMF no hisahana izany. Mety […]
Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara: Hatao any Antsirabe ny 2 mey ho avy izao
Hampiantrano ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe ny ligin’i Vakinankaratra. Hotanterahina ny 2 ka hatramin’ny 4 mey ho avy izao izany. Lalao ho an’olon-telo miaraka no hifaninanana amin’izany. Hiady lohany ny sokajy efatra dia ny “senior” lahy sy vavy, ny zandriny “junior” ary ny zokiolona “veterans”. Hanana ny […]




