Taratra

Fampandrosoana eny ifotony : Nanova ny tanànan’i Morondava ny tetikasa Mor’af

Notanterahina tetsy Ankorondrano, omaly ny atrikasa ho fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra anatin’izany ny tetikasa “Morondava Adaptation Fund – Mor’af”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nivoitra tamin’izany fa tetikasa mamaly ny hetaheta eny ifotony ny Mor’af, niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Miova endrika izao ny […]

TSELATRA

Lehilahy roa voarakitra an-tsary nandroba tetsy Isotry, omaly maraina, tamin’ny 3 ora. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina io toerana io izy roa lahy. Nesorin’ilay olon-dratsy ny fitaovana maka ny sary izay mirakitra ny zava-misy teo amin’ilay toerana lasibatra. Efa manao ny fikarohana ny polisim-pirenena. Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana tampoka teny […]

Kaominina Fenoarivo : Tratra ireo dimy lahy nanendaka mpivady

Voasambotry ny zandary ireo dimy lahy nandroba mpivady teny amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Feno­arivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alarobia 23 avrily teo. Niandry kendry tohana ireo mpody hariva teny amin’ny sampanan’i Malaza ireo dimy lahy. Nifanena tamin’ ny mpivady izy ireo. Notazo­min’izy dimy lahy avy hatrany ny raim-pianakaviana. Nan­dositra niampita ny […]

Nanohitra zandary : Dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny fokontany Ambahary, kaominina Manerinerina, distrikan’Ambatoboeny, omaly maraina. Tratra teo am-pangalarana omby io dahalo fanta-daza amin’ny solon’anarana hoe Dauphin io. Nentina hamonjy ny biraon’ny zandary izy. Notolominy io mpitandro filaminana nitondra azy io ary nokasainy alaina ny fitaovam-piadiana. Niaro-tena ny […]

Dia fibeazana : Mpianatra dimy mianadahy maty an-drano

Tanora dimy mianadahy, mpianatra, maty an-drano rehefa nilomano tany Antsanitia Belobaka Mahajanga, omaly atoandro. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray. Tanora mpianatry ny Lycée Manjakandriana, nanao dia fibeazana tany Mahajanga ireo tra-doza ireo. Nitsidika ny “plage An­tsa­nitia” Belobaka ireo mpianatra avy amin’ny Lycée Manjakandriana omaly tamin’ny 12 ora sasany atoandro. […]