Manan-danja ny fandaharam-potoana ato ho ato ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny kick-boxing. Taorian’ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina natao andro vitsy lasa izay, nahazo fanasana tamin’ny klioban’ny Guerreros ihany koa izy ireo, handray anjara amin’ilay ady iraisam-pirenena « Lemur Cup » hatao etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 […]
Taratra
Futsal – Can 2025 : Nisaraka ady sahala 4 no ho 4 i Tanzania sy i Madagasikara
Sahirana tanteraka ny ekipam-pirenena Barea Ladies, omaly. Notazomin’i Tanzanie, sahala, 4 no ho 4, ry zareo. Mitarika eo amin’ny laharana voalohany, vonjimaika ao amin’ny vondrona « C » ny Barea Ladies. Izay aloha ! Nahazo isa iray fanampiny ho azy tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2025, taranja baolina kitra anaty […]
FANTINA sy FINTINA
Mbola any Frantsa, mihaona amin’ireo Malagasy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nambaran’izy ireo fa mahafinaritra ny fifankatiavan’ny Malagasy any an-toerana. «Afaka miady hevitra… Voageja ny vahoaka aty Madagasikara. Tsy afa-maneho hevitra na mahazo fandrahonana… », hoy izy ireo. Anisan’ny nisogadina teny amin’ny CCI Ivato koa […]
Fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI : Handray andraikitra ny fanjakana
“Tokony hijoro hitondra fanazavana ara-teknika amin’ny zava-nitranga ny tomponandraikitra. Aorian’izay, mandeha ny fanadihadiana. Mety hisy ny fandraisana andraikitra”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny amin’ny fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI, Ivato, tao anatin’ny kabarin’ny […]
Miara-mitantana
Vaovao nahoraka, omaly ny mahakasika ny fitantanana ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Andaniny, manamafy ny frantsay fa misy tokoa ilay fehin-kevitry ny Firenena mikambana mahakasika ny Nosy malagasy manodidina na ny “Iles éparses”. Ankilany, tsy manaiky ny hamerina izany ho an’i Madagasikara kosa anefa izy. Ny fiaraha-mitantana no […]




