Taratra

Arabe migodana : Hamatsy vola ny tapany faharoa ny Badea

Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filo­han’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, ha­nam­boatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity […]

Erikerika!

  Ny erikerika mahatondra-drano, hoy ny fiteny mahazatrany Malagasy. Mody mitsitaitaika izany ny vokatry ny ketrika tarihin’ny filohan’ny Repoblika any ivelany any. Mahery vaika ny adisisika. Tonga tsikelikely ny tompom-bola hiasa aty Madagasikara. Isaky ny mivoaka dia mibaribary fa manan-talenta amin’ny resaka diplaomasia avo lenta sy ahitam-bokany ny Filoha. Tsy […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Nampivoatra ny fomba famokarana ny Sanoi

Nahomby ny fanavaozana ny fomba famokarana, notohanan’ny fandaharanasa Sanoi. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ka anisany i Madagasikara. Nanomboka ny taona 2021 ary nifarana tamin’ity 2025 ity ny fandaharanasa Tantsoroka ho an’ny fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Namolavola azy ny Vondrona ranomasimbe Indianina (COI), notohanan’ny Vondrona eoropeanina […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ka nahafaty ny zana-badiny vao 5 taona monja teny Ambohipo. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny, miampy famosirana izy io, taorian’ny didy nivoaka. Marihina fa miaramilan-tsambo ity lehilahy nanolana ity. Miasa alina ny renin’ilay zaza ka matetika izy sy ilay zaza irery foana no […]

Fifindra-monina tsy ara-dalàna mankany Mayotte : Voasambotra ilay mpikarakara sy ny namany iray hafa

Nahazo vaovao avy amin’ ny olona tsara sitrapo ny Bori­gadin’ny zandarimaria Fasce­ne, mahakasika ny fisian’ireo olona mampiahiahy tany Man­girakirana, Fokontany Maha­zandry, kaominina Nosy Be. Mety hiondrana antsokotsoko sy hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte, ny 8 febroary 2025 tamin’ny 4 ora maraina teo, izy ireto. Tonga teny an-toerana voalaza avy […]