Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao niely tao anaty tambajotran-tserasera, ny afakomaly, lasa mpilaravinahitra any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, i Jean Yves. Ny klioban’ny AS Marsouins no naka an’ity loharana malagasy ity. Tsiahivina fa anisan’ireo mpilalao nahazoan’ny Barea ny medaly alimo tamin’ny Chan 2022 teo, i Jean Yves. Nisaraka ady sahala 5 […]

Rugby U18 – AROI 2025 : Nanao pao-droa ny Makis

Mbola noporofoin’ny Makis de Madgascar fa mpanjakan’ny rugby eto amin’ny ranomasimbe Indianina izy ireo. Norombahin’izy ireo avokoa mantsy ny amboara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (Aroi), sokajy U18 lahy sy vavy. Fihaonana, natao tetsy amin’ny kianja Andohatapenaka ny alatsinainy 21 avrily lasa teo. Teo amin’ny sokajy vehivavy, […]

Federasionina afrikanin’ny fonjamby : Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Jean Alex

Notontosaina ny 22 avrily lasa teo, tany Maorisy, ny fivoriambe sy fifidianana teo anivon’ny federasionina afrikanina taranja fibatana fonjamby. Voafidy ho filoha lefitra Randriamanarivo Harinelina Jean Alex. Randriamanarivo Harine­lina Jean Alex, izay filohan’ny federasionina malagasin’ny fibatana fonjamby no voafidy ho filoha lefitra eo anivon’ny federasionina afrikanina ny taranja Weigh­tlifting na […]

Ben’ny Tanànan’Antananarivo: Ezahina ny fanavaozana sy fanadiovana ny tanàna

Nanatanteraka fitsidihana teny anivon’ny toerana maro samihafa eto Antananarivo ny ben’ny Tanànan’An­tana­nari­vo, Ramanantsoa Harilala, afakomaly. Anisan’izany ny farihin’Anosy, ny tunnel Am­banidia, ny lapan’Andafia­varatra sy ny maro hafa. “Averina amin’ny endriny taloha ny farihin’Anosy ary mitohy ny fanadiovana manodidina an’Anosy mba hitondrana fanavaozana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Toy ny […]

Fanaovan-gazety : 70 taona ny Imongo Vaovao

22 avrily 1955-2055. Feno 70 taona ny gazetin-kevitra Imongo vaovao, nomarihina teny Ampandrana, afakomaly, notarihin’ny tomponandraikitra Rabesahala Jean Luc. Notsiahiviny fa fameloma-maso ny asa sy ny foto-kevitra navelan’i Jean Ralaimongo no tanjona. Tao anatin’ny vanim-potoana nitakian’ny zanatany fahaleovantenany no nahaterahan’ny Imongo Vaovao. Niaina ireo vanim-potoana fanjanahantany izy, ny fanjanahantany tamin’ny […]