Maro ny ezaka vita sy mbola atao amin’ny sehatry ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana, ny fanavaozana ny fandaniam-bolam-panjakana, ary ny fanatsarana ny fitantanana sy fandrindrana ny risika ara-bola. Vonona hanome tantsoroka ara-teknikna an’i Madagasikara ny Sampan-draharaha misahana ny fitantanam-bola (FAD) eo anivon’ ny FMI. Tsy mitsaha-mitotongana ny […]
Taratra
Volamena 25,5 kg tratra tao Maorisy: Napetraka ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara
Naterina avy hatrany eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara ireo volamena 25,5 kilao tratra tatsy amin’ny nosy Maorisy ny taona 2019, taorian’ny lanonam-pamerenana izany, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI). Nanolotra ireo volamena ireo tamin’ny filoha Rajoelina Andry ny praiminisitra […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Ho sompitra i Madagasikara
Antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nambaran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry tamin’ny lahateniny, nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-pirenena sy governemanta eo anivon’ny vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI), fa « fanamby ny hahatongavan’i Madagasikara ho sompitry ny famokarana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina afaka taona vitsy». […]
Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina : Vonona ny hifanampy ny firenena mpikambana
Nifarana tao anatin’ny firahalahiana ny fihaonambe fahadimin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka fa hamafisina ny fiaraha-miasan’ny mpikambana. Nizotra tamim-pilaminana, vita hatramin’ny farany ny fihaonambe an-tampony teo amin’ny firenena mikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina. Tapaka nandritra ny dinika fa hamafisina ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritra indrindra. Toraka izany ny fiaraha-miasa amin’ny […]
Hazakazaka bisikileta: Mpanazatra 14 nahavita fiofanana
Nifarana tamin’ny sabotsy 19 avrily 2025, tetsy Ivandry, ny fampiofanana ireo teknisiana miisa 14 mianadahy, 12 lahy sy roa vavy, izay milofo amin’ny taranja bisikileta. Araka ny fanadihadiana natao, haazo ny marim-pahaizana faharoa izay hita fa mendrika tamin’ity fiofanana ity. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, havoakan’ny Federasionina Iraisam-pirenena UCI […]




