Taratra

Fahatongavan’ireo delegasionina : Nitsena ireo vahiny rehetra ny Praminisitra Ntsay Christian

Nisahana ny fitsenana ireo vahiny, filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Praiminisitra Ntsay Christian amin’izao hiatrehana ny fihaonana an-tampon’ny COI izao. Vahiny voalohany notsenainy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblikan’i Seychelles, Wavel Ramka­lawan sy ny vadiny, Linda Ramkalawan. Anisan’ireo han­dray anjara amin’ny fivorian’ny COI, hatao eny Ivato, anio izy […]

INDRAY MIJERY

Ny fianarana teny vahiny no nisantarana ny fiofanana voalohany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, anatin’ny hetsika “Fijery hafa” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Miisa 567 ireo nisitraka fiofanana. Anisan’ny sampana tena nisongadina tao amin’ny faritra ny voly legioma sy anana ary ny fanamboarana zezika sy ny […]

Maninday Toliara: Ho tonga ny “transformateur” vaovao

Ho famahana ny olan’ny mpianatra ao amin’ny Oni­versiten’i Toliara manokana, efa niverina tanteraka ny jiro ary ho tonga amin’ny faran’ny herinandro izao ny “transformateur” vaovao ho fanampiana ny tanjaky ny jiro ao an-toerana. Mikasika ny vatsim-pianarana, hivoaka tsy ho ela ny tetiandro aorian’ny fankatoavana ataon’ny Paositra malagasy, ny minisiteran’ny Fampiroboroboana […]

Brigitte Macron sy Rajoelina Mialy : Nitsidika ny ivontoerana fandraisana ireo niharan’ny herisetra

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny vadiny teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Taorian’izay, nihazo avy hatrany ny Centre de prise en charge intégré des victimes de violences basées sur le Genre Mahamasina ny vadin’ny filoha frantsay, Brigitte Macron sy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy. […]