Taratra

Miara-miasa

  Mahoraka eto an-tanàna ny fahatongavan’ny vahiny marobe eto Madagasikara. Samy somebiseby ny olon-drehetra na ny faly na ny tsy faly. Anisan’ny miteraka ady hevitra sy mampizarazara ny vahoaka malagasy ny fitsidihan’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Misy filohan’ny Repoblika sy filoham-panjakana miisa dimy tonga eto an-tanàna fa dia izy irery […]

GEM-MEDEF International : Hanamafy ny fiaraha-miasa stratejika

Hamafisina ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo orinasa malagasy sy frantsay ho an’ny tombontsoa ara-toekarena. Hapetraka ny tondrozotra handrindrana ny asam-pampandrosoana ny toekarena. Tafapetraka omaly ny tondrozotra hanatanterahana ireo asa hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarena eto Mada­gasikara. Nanolotra izany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry sy ny « minisitre des Outre-mer » […]

TSELATRA

Fiara fitateram-bahoaka iray no may kila forehitra, omaly, tokony ho tamin’ny 11ora alina tany Antanandava Bekoratsaka, Distrika Mampikony. “Court-circuit” teo amin’ny motera no nitarika ny afo, raha ny fanazavana voaray. Tsy nisy naratra ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara fa niala mialoha rehefa naheno tranga hafahafa. Voasambotry ny mpitandro filaminana […]

Fankalazana ny fetin’ny paka: Olona 44 voasambotry ny mpitandro filaminana

Nahatratra 44 ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny paka lasa teo, teto amin’ny faritra Analamanga, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina noho ny fandikan-dalàna sy hadisoana samihafa nandritra ny fety izy ireo. Manodidina ny 19 ireo fitarainana voarain’ny polisy nandritra ny fety. Fa­nafihana […]

Halatra moto tetsy Isotry : Roa lahy voasambotry ny polisy

Nifenehatra tamin’ny mpitandro filaminana, roa lahy mpangalatra moto voasambotra teo Isotry, ny alin’ny alatsinain’ny Paka teo. Nisy nanosika mangingina niala ny toerana nametrahan’ny tompony azy tao Anatihazo, ny moto scooter marika Yamaha, tamin’io alina io. Nampahafantatra ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 ny tompon’entana. Nanao ny fanarahan-dia ny polisy ka […]