Taratra

Volley-Mada U18 : Tompon’amboara ny ASI sy ny GNVB

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny amboaran’i Ma­dagasikara,taranja volley, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona. Voahosotra ho tompon’amboara nandritra izany, ny ekipan’ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny GNVB tamin’ny seta 3 no ho 0 (25-14/25-16/25-15). Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, […]

Lalao ara-pirahalahiana: Mety hifampitana amin’ i RD Congo na i Togo ny Barea

Efa fantatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana any France, i Madagasikara, ny volana jona io. Araka ny fanadihadiana natao, mety hifanandrina amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) sy i Togo, i Madagasikara, mandritra ny « fenêtre Fifa » ho avy io. Raha ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Nanao fitsidihana tany atsimon’ny Nosy ny lefitry ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, ny herinandro lasa teo. Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy vondrom-piarahamonina ifotony tohanan’ny governemanta amerikanina, ka mitondra fiovana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana, ary ireo ezaka fiahiana ny maha olona, izy. Nifanakalo hevitra tamin’ireo mpianatra sy tanora 50 […]

Fikambanana AES- PACA: Hampiofana momba ny tambajotran-drano

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny fa­naovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mi­nisitera sy ny Association Eau Soleil-Provence Alpes Côtes d’Azur (AES-Paca). Manam-pahaizana manokana amin’ny fampiofanana momba ny fa­metrahana sy fikojakojana tambajotran-drano amin’ny paompy miasa amin’ny herin’ny masoandro ity […]

Isotry : Nanao Paka ny Seba sy ny Ex Mad Cap

Nandritra ny fetin’ny Paka, nahatsiaro manokana ireo fianakaviana tena sahirana mitoby etsy amin’ny Ex Mad Cap sy Seba Isotry, ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Nizara sakafo mafana sy ara-pahasalamana hiarahan’ireo ankohonana mifaly nandritra ny andron’ny Paka izy ary nankahery azy ireo hioitra amin’ny fiainana. Nanazava ny […]