Taratra

Fikambanana isam-paritra : Toka-miavaka aty Afrika fa hany ahitana nosy irery ihany ny COI

Ao anatin’ny fihaonana an-tampony faha-V ataon’irao filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manana izay mampiava azy aty Afrika ny COI. Na eo amin’ny fijoroany, na ny asany… Izay tsara ho fantatra. Fikambanana iraisam-pirenena noforonin’ireo minisitry ny Raharaham-bahin’i Maurice sy i Sey­chelles ary i Madagasikara, tany Port-Louis, Maurice, tamin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Fotoana fanararaotana izao ! Mandray vahiny maro i Madagasikara. Tsy resaka « avo lenta » ho an’ny politika sy ny toekarena ihany no mila aseho azy ireny fa ny kolontsaina sy ny zavakanto ihany koa. Efa tsy dia tsara laza loatra rahateo ny politika sy ny toekarena raha ho an’i Madagasikara manokana. Mila […]

International Jazz Day: Tafaraka ny samy andrarezina

Tahaka ny isan-taona. Ha­namarika ny «International Jazz Day» i Madagasikara. Hetsika karakarain’ny Mada­jazzcar miaraka amin’ny Fara West ary ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Amin’ity taona ity, ho tafaraka ny samy andrarezin’ny mozika jazz. Fampi­se­hoana hotanterahina ny alarobia 30 avrily izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany ao amin’ny Fara […]

« Fifam »: Nankasitrahana ireo mendrika

Ny 11 avrily ka hatramin’ny 19 avrily teo. Notontosaina teto Antananarivo ny « Festival international du film d’animation de Madagascar (Fifam). Nandritra ny fotoam-pamaranana no nanolorana ireo mpifaninana mendrika ny fankasitrahana ny sanganasan’izy ireo. I Dolph Hasner no nahazo ny « Ondine d’Or », tamin’ny alalan’ilay sarimihetsika nampitondrainy ny lohateny hoe « Alika ». I […]

Andro maneran-tany ho an’ny boky : «Tsy nametraka vina sy maridrefy isika», hoy i Rado Ramaherison

Nankalazaina, omaly, ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky ». Ilaina ny fankalazana fa efa nametraka vina sy tombanezaka ve isika mba ho mari-pandrefesana ny dingana vita ? hoy i Rado Ramaherison, mpanoratra. Gazety Taratra (*) : Ny lanja omen’ny Malagasy ny boky amin’izao vanim-po­toana izao ? Rado Ramaherison (-) : Mihodina tahaka ny tandrimo ! Ny mpisehatra […]