Taratra

Vaky fasana: Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. […]

Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray. Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fiana­rantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo […]

Fitantanana kaominina- Toamasina: Mavesatra ny asa miandry

Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafa­nome­zantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana […]

Faritra Vakinankaratra: Mandala ny mangarahara

Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny […]