Olona roa nitondra moto nikasa handroba mpanao gazety teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, Boriborintany faha-V, ny alin’ny talata 15 avrily teo, tamin’ny 8 ora sy 15 minitra. Nanaraka tamin’ny moto ireo olon-dratsy ka voasakana teo amin’ny mangingina ireo lasibatra, izay olona roa. Namoaka antsy ny mpandroba saingy namaly ireo nendahina. Nisy […]
Taratra
Fankalazana ny Paka : Hitombo isa ny polisy eny an-kianja
“Hamafisina ny fandriampahalemana manerana ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny contrôleur général de Police Rakotozanany Dany Marius, omaly. Hiampy ny isan’ireo mpitandro filaminana hisehatra eny an-kianja, mialoha, mandritra ary aorian’ny fetin’ny Paka, ho an’ny Renivohitra. Manoloana ny tranga tsy fandriampahalemana miseho matetika, hanamafy ny fanaraha-maso sy fisafoana […]
Behoririka : Namoy ny ainy, omaly, ilay ramatoa voadona
Nodimandry omaly tamin’ny 1 ora maraina, teny amin’ny hopitaly HJRA ilay renim-pianakaviana, 30 taona, voadonan’ny fiara tapaka hisatra tetsy Behoririka, afakomaly maraina. Namela kamboty telo mianadahy izy ary vao efa-bolana ny farany izay niara-voadonan’ny fiara taminy. Hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny fianakavian’ny maty aorian’ny fandevenana, raha ny fanazavana […]
Ankizilahy maty nokendaina : Novonoin’ny raikeliny tamin’ny tadim-poketra
Maty novonoina tao an-tranony ny ankizilahy vao 10 taona monja. Nofatorana tamin’ny talantalana amin’ny fitoeran-damba sy nokendaina tamin’ny tadim-poketra izy. Ahina ho tompon’antoka ny raikeliny. Zava-doza! Ankizilahy iray tokony ho 10 taona no maty novonoina, omaly maraina. Tany amin’ny tanànan’i Beronono, fokontany Soanafindra, kaominina ambonivohitra sy distrika Tsiroanomandidy no nitrangan’izany. […]
Tsipy kanetibe – ligin’Analamanga : Tompondaka ny PCT, lehilahy sy ny CPA, vehivavy
Tontosa ny sabotsy 12 sy ny alahady 13 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja Ampitatafika, ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Analamanga taranja tsipy kanetibe. Voahosotra ho tompondaka ny PCT ho an’ny lehilahy ary ny CPA eo amin’ny vehivavy. Raha ny voka-dalao, resin’ny ekipan’ny PCT, nahitana an’i Mika sy i Cobra ary i […]




