Taratra

Seho miavaka: Hiaka-tsehatra any Itavo Belazao ny Bira Ti’Art

Hiaka-tsehatra ao amin’ny EPP Itavo, kaominina Bela­zao, Antsirabe, ny tarika Bira Ti’Art, ny alahadin’ny Paka izao. Hiavaka izany satria hifangaroan’ny seho samihafa eny an-tsehatra. Nambaran’ny eo anivon’ny tarika Bira Ti’Art fa ho hitan’ireo mpijery any an-toerana ny hira sy ny dihy mirindra ary ny fampihomehezana. Manampy izany koa ny “Comedie […]

Andro maneran-tany : Tsy misongadina ny zavakanto

Nankalazaina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny zavakanto. Ho an’i Madagasikara manokana, nangingina ny fankalazana. Ny ankamaroan’ny Malagasy aza tsy nahafantatra ny fisian’io andro natokan’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco) ho an’ny kolontsaina io. Tsy nisy ny hetsika nisongadina. Tranga ahafahana mitaratra fa tsy mbola […]

97 taona omaly ny mpanakanto zokiny indrindra : Tsy afa-miala amin’ny «sérénade» ny anarana Fidimalala

Anisan’ny vanim-potoana tsy azo lalovam-potsiny ny nampiroborobo ny « sérénade » ho an’i Madagasikara. Ny tranga nisy teto Antananarivo no tena nisongadina indrindra niaraka tamina mpihira sy mpitendry gitara toa an’i Fidimalala. Ho an’ny mpikaroka sy mpandinika ny fivoaran’ny hira malagasy. Rafi­dimalala Robert na i Fi­di­malala no mpanakanto (mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno, […]

FANTINA sy FINTINA

“Manakorontana firenena ny Irmar ary mila ady. Tsy te hanaiky resy fa te hanao barofo eto amin’ity firenena ity”, hoy ny depioten’ny Firaisankina, i Haja, voafidy ao Mananjary. Nohitsiny fa filana sotasota ny ataon’ny Irmar manoloana ny fanesorana sy fanalana an-daharana ary fanagadrana ireo ben’ny Tanana Mifagnomba, any Mananjary. Namaly […]

Rakotomanana Richardson : “Tsy manohitra tetikasa ny fiarahamonina sivily”

“Tsy vondrona mpanao politika hanohitra na hanohana fitondram-panjakana ny fiarahamonina sivily. Fa sady manampy ny vahoaka izy no manampy ny sampandraharaham-panjakana. Izay ihany no tena andraikitry ny fiarahamonina sivily.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fiombo­nan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Mala­gasy na Coalition de la société civile pour le progrès […]