Asa na noho ny fahantrana lalina, mivadika ny tany aman-danitra. Aleon’ny olona mivaro-panahy ahazoana vola aman-karena. Izay koa angamba no mahatonga ilay firenena maty hasina. Mikororosy sy farahidiny faobe. Tena hoe na ny kely ananana aza izao miharitra sy mihafongana. Tsy hoe ilay mpanao politika loatra no mpanao ampihimba […]
Taratra
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fampivoarana ny sosialy sy toekarena”
Niara-nidinika tamin’ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny niompanan’ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny sosialy sy ny toekarena. «Zava-dehibe ny dinikasa manoloana ny firosoan’ny ezaky ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana marolafy ho amin’ny fampivoarana ny sosialy, indrindra ny toekarena». Io no anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny dinikasa […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny fikarohana natao tao anaty tambajotran-tserasera, fantatra fa hotanterahina ny alahady ho avy izao ny fihodinana faharoan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe Madagascar ». Lalao toy ny famaranana kely amin’izany ny fifanandrinan’ny Toulon FA sy ny US Pro. Mampiofana sy manatanteraka ny asany eto Madagasikara amin’ny fampiofanana hahazoana ny […]
Jiujitsu Brezilianina: Hatao ny 27 avrily ny « Grappling Tournament »
Taorian’ny “Grand Open Mada”, nokarakarain’ny Club 101 Jiujitsu, ny herinandro lasa teo, ho avy indray ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny taranja JJB. Hatao ny alahady 27 avrily izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny “Grappling Tournament”, andiany faha-19. Ny klioban’ny JJB Attila no mikarakara izany izay efa anatin’ ny fanomanana […]
Kick-“Coupe de l’Océan Indien” : Hatao eto Madagasikara, ny 12 avrily
Fifaninanana iraisam-pirenena hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 12 avrily izao, ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, na « Coupe de l’Océan Indien », taranja kick boxing. Firenena telo no handray anjara amin’izany, ahitana an’i Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara mpampiantrano. Araka ny fandaharam-potoana, ady 12 (9 lehilahy, 3 vehivavy) […]




