Taratra

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampahafantarana ny tetikasa “Projet tanora mahefa (Protama) vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola, ho fanamafisana ny traikefan’ireo tanora. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny fampiofanana ireo tanora ho tena matihanina, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy mifandray amin’ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy […]

Fampianarana ambony: Mangataka vatsim-pianarana nefa tsy mpianatra

Nahafantarana ny fisian’ny olona mandray vatsim-pianarana kanefa tsy ao anatin’ireo lisitra tokony hisitraka izany ny fidinan’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mivantana teny amin’ny Oniversiten’An­ta­nanarivo. Efa tsikaritra ny tsy fahatomombanana ka izany no anton’ny fanamarinana teny ifotony ary voaporofo fa misy ireo olona ao amin’ny fakiolten’ny Siansa […]

Oniversite : Misaraka ny fianarana dokotera sy paramedy

Nampahafantatra ny tomponandraikitra voalohan’ny Holafitry ny infirmiera sy ny sage femme (Conim), fa efa misaraka ny fampianarana mahakasika ny paramedy sy ny dokotera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana niarahan’ny roa tonta izany. Nisy ny fifampiresahanay tamin’ny sojaben’ny fakiolten’ny Fampianarana ho dokotera eto Antananarivo ka mizotra […]

Fihaonamben’ny firaisamonim-pirenena : Nisy ny atrikasa ho fanamafisana ny Pfnoscm/Voifiraisana

Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny Vovonan’ny Firaisamonim-pirenena. Ho fanomanana ny fihaonambe na « Convention Nationale n°4 », hotanterahina ny volana novambra ho avy izao. Notanterahana tao Fia­narantsoa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa fanombanana, fanaingana, sy fanamafisana ny rafitry ny Plate-forme nationale des orga­nisations de la société civile de […]

TARATRY ny KANTO

Rija, Luk ary Mahery, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Fiarahana efa nanomboka ela dia ela ary mitohy hatramin’izao ny azy telo mirahalahy. Angamba tao amin’ny Piment Café ny seho betsaka indrindra hatramin’izay, ary mbola hiverina ao izy ireo, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Ankoatra ny sanganasany, fanaon’izy telo mirahalahy […]