Taratra

TARATRY ny KANTO

Tontonsa omaly ny fandevenana an’i Thierry. Izy ilay mpikambana ao amin’ny Feokanto, maty an-drano ny alatsinainy teo. Namita ny adidy farany taminy ireo namany tao anatin’ny tarika, izay notarihin-dRajery, mpiahy azy ireo. Nisy ny hira nataon-dry Feokanto teo am-pamaranana ny fotoam-pivavahana, nanaovam-beloma an’i Thierry. “Ny Mpitory & VLM Ankatso en […]

« Festival Tsika Jiaby » eto Madagasikara : Nivoaka ny lisitr’ireo tarika handray anjara

Jaojoby, Mily Clément, Samoëla, Tanjona Randriana­rivelo, Mage 4 ary ny tarika ‘Zay. Io ny lisitry ny tarika ha­nafana ny hetsika « Festival Tsika Jiaby », andiany voalohany, eto Madagasikara. Fan­tatra ihany koa fa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanaovana ny hetsika, ny 3 sy 4 mey ho avy izao. Vaovao ofisialy, […]

« Star Tour » Antsirabe: Niverina ho efatr’andro an-danonana

Mitoetra ho hetsika goavana indrindra isan-taona. Rehefa fetin’ny Paka, ao Antsirabe hatrany ny fanokafana ny « Star Tour ». Hotontosaina ny 18 hatramin’ny 21 avrily, araka izany, ny amin’ity taona ity, manoloana ny Gara hatrany. Niverina ho efatr’andro an-danonana toy ny taloha ny “Star Tour” Antsirabe, amin’ity, raha ny fanazavana nentin’ny mpikarakara, […]

Andro iraisam-pirenena : Tsy mbola mahazo laka ny boky sy ny zon’ny mpanoratra

Hankalazaina tsy ho ela ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Ho an’i Madagasikara, tsy mbola zava-dehibe ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. 23 avrily, Andro maneran-tany ho an’ny boky sy ny zon’ny mpanoratra. Taona 1975, na­nomboka nihena andro aman’ alina ny fampiasana ny boky teto Madagasikara. […]

Vaovao tambatra

Miverina ny delestazy eto Antananarivo, izay maharitra adiny roa isan’andro, araka ny fanambaran’ny Jirama. Antony, nihena ny haavon’ny rano any amin’ny toby Andekaleka, satria tsy ampy sahady ny rotsakorana amin’izao volana avrily izao. Mandeha ny fanarenana ny RN7, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Fikojakojana mahazatra, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahi­rimbolan’ny […]