Tsara ny vokatra! Niakatra 25 ny isa azon’i Madagasikara taorian’ny fanadihadiana momba ny «Universal Security Audit Programme – Continuous Monitoring Approach» (USAP-CMA) nataon’ny Organisation internationale de l’Aviation Civile (OACI), ny 13 ka hatramin’ny 22 janoary 2025. Nohadihadiana avokoa ireo mpisehatra ana habakabaka eo anivon’ny Aviation civile de Madagascar (ACM) ka […]
Taratra
Finiavana sy fitiavana
16 andro alohan’ny fihaonambe an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana. Tsy misy ny sakantsakana sy ny olana goavana tsy maintsy sedraina. Efa mipetrapetraka ny zava-drehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny ny tomponandraikitra isan’ambaratongany. Hita taratra ny fiarahana mirona sy firaisankinan’ny governemanta. Zava-dehibe […]
Base Toliara: Drafitrasa iarahana amin’ny mpisehatra
Manomboka ny asa mahakasika ny lafiny sosialy ataon’ny Base Toliara. Anisan’izany ny fananganana ny vaomiera RWG, misahana ny famindrana ny fasana sy ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany. Natao ny 2 avrily teo, tany Toliara, ny atrikasa nananganana ny Vaomieram-paritra mandrindra ny paikady stratejika (CRCS). Mitarika azy ny governora Atsimo Andrefana, […]
Taekwondo ITF : Ho avy eto Madagasikara i Mark Trotter
Hotanterahina etsy amin’ ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny 2 – 4 mey ho avy izao, ny fampiofanana tarihin’ny Grand Master Paul McPhail, eto amin’ny kaontinanta Afrika. Araka ny vaovao voaray, omaly, eo anivon’ny kaomisionina ny taranja taekwondo ITF malagasy, ho avy hanatrika io fiofanana io ihany koa i Mark Trotter, […]
SOMBIM-BAOVAO
Natao tao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo, omaly, ny “festival de rugby scolaire” nokarakarain’ny Malagasy rugby. Tetikasa fampiroboroboana ny taranja baolina lavalava eny anivon’ny sekoly. Miisa 8 ireo toeram-pianarana nandray anjara ao amin’ ny Cisco Arivonimamo. Hiditra amin’ny fihodinana faharoa ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara (Yas coupe de Madagascar), taranja baolina […]




