Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 19 avrily ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny ankizy, “Soccer Academy Tournament”, andiany voalohany. Fifanintsanana izay karakarain’ny sekoly baolina kitra Soccer Academy. Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, hizara sokajy telo ny fifaninanana ka hisy […]
Taratra
Fikasana hanondrana mpilalao: Mitory olon-tsy fantatra ny Elgeco Plus Foot-ball
Voatonona ho naka vola tamin’ny fanondranana mpilalao baolina kitra U17, ny Elgeco Plus. Nifangaro tamin’ny halatra sonia ihany koa izany ka niteraka sovorovoro goavana. Manoloana izany, tsy hanaiky ny ekipa ka hitory ireo olon-tsy fantatra ary hanaraka izany hatramin’ny farany. Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy sy tamin’ny […]
TSELATRA
Mitohy ny Operation Bemidina ataon’ny polisim-pirenena eto an-dRenivohitra, afakomaly alina. Toeram-pisotroana miisa dimy voatery nakatona noho ny tsy fanajana lera, teny Mahamasina. Manao fisafoana eny amin’ireo toerana anjakan’ny tsy fandriampahalemana koa izy ireo. Notanana vonjimaika am-ponja ny sefo fokontany Mangarivotra Avaratra, kaominina Toamasina, omaly. Anisan’ny voasaringotra tamin’ny fahafatesan’ilay mpianatra 19 […]
Lozam-pifamoivoizana: Zazavavikely nentina tamin’ny moto maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Anosibe, omaly tamin’ny 7 ora sy 20 minitra maraina. Fiara iray no nandona moto scooter iray taingin-droa avy any aoriana ka nitarika ny loza. Namoy ny ainy rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly HJRA ilay zazavavy kely, telo taona, nitaingina ilay moto avy ao aoriana. Avy any […]
Nanolana ny zanany vavy: Naiditra am-ponja ilay raim-pianakaviana
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay raim-pianakaviana, 31 taona, nahavita nanolana ny zanany vavy vao 9 taona monja tany Fifio, Mahajanga. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga, omaly. Tsiahivina fa nanaovan’ity lehilahy ity ny filan-dratsiny foana io zanany vavy io nanomboka tamin’ny taona 2024. Nitaraina ho narary tamin’ny […]




