Fifamaliana vola, trosa 30 000 Ar, no namonoan’ny lehilahy iray ny zaodahiny tao Soavinandriana, ny alin’ny talata 8 avrily teo. Voasambotra ny nahavanon-doza. Nanda handoa ny trosa ny lehilahy iray ka novonoiny ny zaodahiny izay nanana vola taminy, tao amin’ny tanànan’ Ambohidravaka, fokontany Antambiazina, kaominina Amparaky, distrikan’i Soavinandriana, ny alin’ny […]
Taratra
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Haverina any Ambohibary ny Vohitry ny vary
Mifototra amin’ny fambolena ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Manjakandriana. Ankoatra ny vary, mamokatra ovy sy legioma hafa ihany koa ny tantsaha. Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahaefa Tahian’Ny Avo, omaly, ny ben’ ny Tanàna voafidy tany an-toerana, ny Dr Ratsimanetrimanana Fenosoa, lany tamin’ […]
VAOVAO TAMBATRA
Vinavinaina ho vita afaka 10 andro ny fivilian-dalana eo amin’ny reniranon’i Efasy. Tsy afaka ampiasaina kosa ny fiampitana «bac» any Mahavavy satria ambany loatra ny haavon’ny rano. Tsy afaka niampita, noho izany, ny olona sy ny fiara. Afaka 15 andro no heverina fa ho vitan’ny orinasa Colas ny fanamboarana ny […]
Madagascar Airlines : Saran-dalana manokana ho an’ny paka
Nitondra fanazavana mahakasika ny saran’ny tapakila manoloana ny filazana fa lafo ny saran’ny sidina ataony ny kaompania Madagascar Airlines. Misy ny saran-dalana ho an’ny «classe affaires» izay mandrakotra zotra efatra amin’ny famandrihana natao amin’ny fotoana be mpivezivezy, indrindra ny herinandro manodidina ny paka. Misy koa, hoy izy ireo, tapakila mora […]
fampiakaran-ketra 47% alain’i Etazonia : Ho avy ny fandroahana mpiasa amin’ireo « zone franche »
Hiantraika amin’ny toekarem-pirenena sy ny fiainan’ireo orinasa afakaba ny fampiakaran-ketra ho 47% alain’i Etazonia amin’ireo entana avy eto Madagasikara. Heverina ny hisian’ny fandroahana mpiasa sy fandefasana chômage teknika amin’ireo orinasa afakaba. Mampivarahontsana. Mampanahy ny hoavin’ny toekarena sy ireo orinasa afakaba manoloana ny fampiakaran’i Etazonia ho 47 % ny hetra haloa […]




