Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady, omaly, ireo ben’ny Tanàna miisa 14 voafidy tao amin’ny distrikan’i Mananjary, 28 avy amin’ny distrikan’i Ifanadiana ary 19 avy amin’ny distrikan’i Nosy Varika. Notanterahina teo an-tampo-tanànan’i Mananjary ny lanonana. Tonga nitarika izany ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Tokely Justin, sy ny loholona Rabema­nan­jara Nicolas. Nankatoavin’ny Rafitra ifotony fikaonandoha “SLC-R” ireo […]

Fihaonan’ny praiminisitra tamin’ny FMI: Nojerena ny fampandrosoana mipaka eny ifotony

Noraisin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, teny Maha­zoa­rivo, omaly, ny delegasiaonina mamita iraka eto Mada­gasikara avy amin’ny Ta­hirimbola iraisam-pirenena (FMI). Mitarika izany Constant Lonkeg, niaraka amin’ny solontena maharitra, miasa sy monina eto amintsika, Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Anisan’ny nifantohan’ny fifanakalozana teo amin’ny roa tonta ny momba ireo ezaka rehetra irosoana amin’ny fanatanterahana ny […]

Tagnamaro

  Mahafinaritra izaitsizy ny tanàna amin’izao fotoana, hiandrasana ny fahatongavan’ny vahiny hanatrika ny fihaonamben’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Miara-mientana avokoa ny mpikambana amin’ny governemanta. Mandray kifafa hatramin’ny minisitra manadio tanàna. Na misy aza ny fitohanana amin’ny fifamoivoizana dia mba afaka ny fahasorenan’ny maso mijery ny loto sy ny fako. Miverina ny […]

Fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI: Noderain’ny Diaspora ny finiavan’ny fanjakana

Namoaka fanambarana ireo fikambanana, antoko politika, olom-pirenena tsotra ary ireo Malagasy maro anisa milaravinahitra any Eoropa. Niompana amin’ny handraisana ny fihaonana an-tampon’ny COI ny fanambaran’izy ireo. Nampirisika ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisana ilay fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny COI, hotanterahina eto Madagasikara izy ireo. “Midera ny finiavan’ny fanjakana […]

TSELATRA

Roa lahy nitondra rongony 15 kg voasambotra tao Mahavokay, kaominina Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nandositra niaraka tamin’ny entana izy ireo ka voatery nanapoaka basy ny polisy. Nosavaina ny fonosana ka voamarina fa rongony avokoa no tao. Nahitana Cocktail Molotov teny anoloan’ny vavahadin’ny orinasa Pradon, tetsy Antanimena, omaly maraina […]