Taratra

Fanolanana zaza 6 taona : Voasambotry ny polisy ireo roa lahy voarohirohy

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimahasoa, omaly maraina, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana zazavavikely enin-taona tany an-toerana, ny alarobia lasa teo. Rahalahan-drain’ilay zaza ny iray amin’ireo voasambotra ireo. Mpiara-monina fa manana lonilony amin’ny rain’ny zaza maty kosa ny lehilahy iray hafa, raha ny angom-baovao voaray. […]

Lozam-piarakodia teny Ambohimangakely : Mpivady niara-maty

Olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teny Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy 03 avrily teo. Nohazonina atao famotorana ny mpamily. Fiara an’olon-tsotra niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 08+500, fokontany Anka­dindambo, kaominina Ambo­himangakely, ny alakamisy 03 avrily alina, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra. Kamiao […]

Aorian’ny fahavitan’ny fianarana : Vitsy ny tanora sahy manangana ny orinasany manokana

Olana ho an’ny ta­nora mahavita fianarana ny fananganana orinasa ma­nokana. Mbola vi­tsy izany raha ho an’ny eto amin’ny firenena. Antony mahatonga izany ny tsy fananana tetibola entina ma­nangana. Ampirisihina sy entanina hatrany ny mpianatra mba hanangana ny orinasany manokana aorian’ny fahavitana fianarana. Tsapa sy hita fa vitsy ireo ankizy sy […]

« Woco Urban Vibes »: Ambohipihaonan’ny tanora

Hiditra amin’ny andiany fahatelo sahady. Nahitam-pahombiazana ka hiakatra lenta kokoa ilay hetsika « Woco Urban Vibes ». Hotontosaina ny sabotsy 5 avrily izao, ma­nomboka amin’ny 1 ora ity seho ity, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Ambohi­pihaonan’ny tanora, satria tanora avokoa na ny mpanakanto na ny mpankafy raha tarafina amin’ireo […]