Taratra

TSELATRA

Roa lahy nitondra rongony 15 kg voasambotra tao Mahavokay, kaominina Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 3 ora. Nandositra niaraka tamin’ny entana izy ireo ka voatery nanapoaka basy ny polisy. Nosavaina ny fonosana ka voamarina fa rongony avokoa no tao. Nahitana Cocktail Molotov teny anoloan’ny vavahadin’ny orinasa Pradon, tetsy Antanimena, omaly maraina […]

Fanolanana zaza 6 taona : Voasambotry ny polisy ireo roa lahy voarohirohy

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisarian’Ambohimahasoa, omaly maraina, ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana sy famonoana zazavavikely enin-taona tany an-toerana, ny alarobia lasa teo. Rahalahan-drain’ilay zaza ny iray amin’ireo voasambotra ireo. Mpiara-monina fa manana lonilony amin’ny rain’ny zaza maty kosa ny lehilahy iray hafa, raha ny angom-baovao voaray. […]

Lozam-piarakodia teny Ambohimangakely : Mpivady niara-maty

Olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teny Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy 03 avrily teo. Nohazonina atao famotorana ny mpamily. Fiara an’olon-tsotra niharan-doza teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 08+500, fokontany Anka­dindambo, kaominina Ambo­himangakely, ny alakamisy 03 avrily alina, tamin’ny 10 ora sy 10 minitra. Kamiao […]

Aorian’ny fahavitan’ny fianarana : Vitsy ny tanora sahy manangana ny orinasany manokana

Olana ho an’ny ta­nora mahavita fianarana ny fananganana orinasa ma­nokana. Mbola vi­tsy izany raha ho an’ny eto amin’ny firenena. Antony mahatonga izany ny tsy fananana tetibola entina ma­nangana. Ampirisihina sy entanina hatrany ny mpianatra mba hanangana ny orinasany manokana aorian’ny fahavitana fianarana. Tsapa sy hita fa vitsy ireo ankizy sy […]