Mbola misy ireo traboina sahirana noho ilay fisian’ny ranobe sy fahavakisan’ny fefiloha teto Antananarivo. Tonga nanolotra fanampiana ho azy ireo ny “Association armée du salut “niaraka tamin’ny BNGRC. Nahitana vary, voamaina, menaka, savony, bodofotsy ary “serviettes hygiéniques” ho an’ny vehivavy izany. Nisy ireo masontsivana napetraka ho an’ireo olona nisitraka ny […]
Taratra
Fiofanana arakasa : Hametrahana « référentiels » vaovao ny THR
Notanterahina tamin’ity herinandrio ity, nandritra ny roa andro tao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny atrikasa «Développement de référentiels pour les métiers du Tourisme-Hôtellerie et Restauration». Nisahana azy ny Direction de l’Apprentissage et de la Formation Qualifiante (DAFQ), niaraka amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary […]
Asa Avotra : Mirindra Hanatsara ny fihariana ambanivohitra
Ankohonana marefo miisa 71 000, ao amin’ny distrika 11, no hisitraka indray ny tetikasa « Asa Avotra Mirindra » izay nanomboka ny taona 2024 hatramin’ny taona 2027. Fandaharanasa fiahiana mpiara-belona an’ny governemanta malagasy, ao anatin’ny tetikasa «Haratonaina», mikendry ny fanatsarana famokarana ity tetikasa ity. Fanofanana sy asa tanamaro ho an’ireo vondrom-piarahamonina tena sahirana […]
Famarinana olombelona : Firenena 5 no tena andefasana ireo lasibatra
Misongadina ny vokatry ny ady amin’ny famarinana olombelona eto Madagasikara. Olona 91 no fantatra fa tratra nanao fanondranana ary firenena 5 no tena mandray ireo olona haondrana. Any Chine, Dubai, Liban, Oman ary any amin’ny Nosy Maorisy ny firenena hanondranan’ireo mpanao trafikana olombelona. Fantatra izany, araka ny fanadihadiana sy tatitra […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny alarobia 9 avrily izao, ny “Festival rugby scolaire”. Hatao ao amin’ny Kianja monisipaly Arivonimamo ka sekoly enina no handray anjara amin’izany. Telo avy amin’ny CEG dia Antaboka, Abdon Andriamirado ary Mangatany. Telo lisea dia Johson sy Imerintsiatosika ary Arivonimamo. Fifaninanana tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Rugby Afrique izy ity. […]




