Taratra

MVola-GMW : Fanabeazana ara-bola ho an’ny tanora sy ny ankizy

Nokendren’ny orinasa MVola manokana ny tanora sy ny ankizy mahakasika ny fanabeazana ara-bola, nandritra ny hetsika Herinandron’ny vola na « Global Money Week » (GMW), natao ny 18 hatramin’ny 23 marsa teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny fikambanana Maison des Enfants Vasakosy sy ny mpianatry ny EPP Sabotsy Namehana. Nampi­anarina tamin’ny […]

AMFI sy GEPIMM :Dimy mianadahy nisitraka fiofanana

Nifarana ny zoma 28 marsa teo ny fanofanana Tonian-dahatsoratra andiany faharoa nokarakarain’ny « Actions médias francophone internationale » na AMFI, sy ny « Groupement des éditeurs de la presse d’information multimédia de Madagas­car » (Gepimm) tetsy Antani­mena. Notarihin’i Thierry Olivier. Niompana manokana tamin’ny fandalinana ny asan’ ny tonian-dahatsoratra eo amin’ny […]

Fondation Hiroshi Uchida: Mpianatra miisa dimy nahazo vatsim-pianarana

Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]

Atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana: Hatsaraina ny fitantanan’ireo kaominina ny fako

Mila hatsaraina ny fitantanan’ny kaominina ny fako. Anisan’ny avoitra amin’ny atrikasam-paritr’i Afrika Atsinanana mandritra ny telo andro izany. Nanomboka omaly hitohy rahampitso ny atrikasam-paritra iraisan’i Afrika Atsinanana momba ny fitantanana ny fako. Tanjona iraisan’ny rehetra ny hanatsarana ny politikam-panjakana momba ny fako sy ny fanamby goavana miandry amin’izany. Nambaran’ny minisitry […]

INDRAY MIJERY

Nitsidika ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, tao Anosy, ny solontenan’ny UNFPA Yaguibou Josiane, omaly. Noresahina, nandritra izany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa. Niarahaba manokana ny minisitra izy ny amin’ny fahaiza-mitarika eo amin’ny sehatry ny fanabeazana amin’ny ankapobeny ary indrindra eo amin’ny fanomezana anjara toerana lehibe ho an’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Ho […]