Hotontosaina ny alahady 6 avrily izao, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny hetsika “Morengy Iarivo”, andiany voalohany. Hetsika hampisehoana ny maha fanatanjahantena nentim-paharazana ny Morengy izany, araka ny fanazavan’i Thierry Saidani, mpanorina ny Boite Noire, mpikarakara ny hetsika. Ny Boite Noire sy ny Koezy Company no miara-misalahy amin’ny fikarakarana ary […]
Taratra
Federasionin’ny tenisy : Handray ny “J30 Circuit mondial” i Madagasikara
Hampiantrano lalao iraisam-pirenena, taranja tenisy i Madagasikara amin’ity taona ity. Hotanterahina eto an-toerana ny “J30 Circuit mondial”. Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena goavana ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), amin’ity taona 2025 ity. Nankatoavin’ny Federasionina iraisam-pirenena (ITF) ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fifaninanana “J30 Circuit mondial”, sokajy Junior, lahy sy vavy. Nahafeno ny fepetra […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 300 ny mpiasan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, nanao Hetsika tanamaro (Himo), omaly. Nisy ny fanadiovana nanomboka teny Antaninarenina hatrany Tsaralalana. Hetsika nanatsarana ny endriny ny tanàna sady handraisana ireo vahiny hiatrika ny fivoriamben’ny COI eto Antananarivo. Hatao ny 21 na 22 avrily ho avy izao ny hetsika fanindroany. Higadona androany […]
CNM: Hanatsara ny fomba fiasan’ny mpiasa
Tanterahina mandritra ny telo andro, eny Anosy, ny Herinandron’ny Vaomieram-pirenena momba ny tsenambaro-panjakana (CNM). Fotoana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CNM sy ny fitantanana ary ny fomba fiasa ao. Hisy ny fampiofanana ireo mpiasa izay hiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary koa ny fanofanana ireo mpikambana vaovao eo […]
Fihaonana: Mpianatra miisa 300 namboly zana-kazo
Miisa 3 000 ireo zana-kazo novolen’ny Orange Madagascar sy ireo mpinatra 300 isa avy ao amin’ny CEG Fihaonana, ny zoma teo. Hetsika hiadina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fanabeazana ara-tontolo iainana ny mpianatra. Tanjona ny hampahafantarana ireo mpianatra ny lokanadin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hampirisihina azy sahady hanaja ny tontolo iainana. Niray […]




