Tsy hanaiky hijanona ao anaty fahantrana intsony ny vahoakan’Atsimo Andrefana. Andry lehibe ianteheran’izy ireo mankany amin’ny fampandrosoana ny tetikasa Base Toliara. Nahitsy ny tenin’ny solombavambahoaka Toliara I, sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Toliara, Tinoka Roberto, ny alakamisy lasa teo, tany Toliara. Nitodika tany amin’ny minisitry ny Fanajariana ny tany […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Notokanana nandritra ny Alahamadibe teo, ny Zomban’i Marololo, ao amin’ny vohitr’Andrainisisa, any Ankadivoribe. Nanaraka antsakany sy andavany ny fomba amam-panao rehetra izany, izay nokarakarain’ny fikambanan’ny Zanadrano Mpikaroka Raokandro, tarihin-dRandrianantenaina Jean Emickaël. Nisy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana, ny zara hasina, sns, ankoatra ny tsodrano sy ny fanao rehetra rehefa Alahamadibe. […]
Boky sy ny zon’ny mpamorona : Hifanatrika ny mpisehatra sy ny Omda
Adihevitra tena ilaina. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny velakevitra arahina ady hevitra manodidina ny «Boky sy ny zon’ny mpanoratra: Ny olana sy ny fanamby». Hifanatrika mandritra io fotoana io Rarivojaona Joelinirina, talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, Razafintsalama Marie […]
Iray volan’ny teny malagasy : Nikaondoha ireo mpanomana
Ho maromaro ny hetsika hanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy», ny volana jona ho avy izao. Tafiditra ihany koa anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena izany, ka nisy ny fikaonandoha nataon’ireo mpikarakara ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny foibe momba ny teny ao amin’ny Akademia Malagasy. Tapaka nandritra izany […]
« Festival Dôla Beach » andiany faha-13 : Handray an-dry Wawa sy Black Nadia i Vatomandry
Efa fotoam-bita isan-taona, any Vatomandry. Hahoraka indray ny fetin’ny Paka, mandritra ny andiany faha-13 amin’ny “Festival Dôla Beach”. Niampy ireo karazam-pialamboly, fa ny fampisehoana no lehibe indrindra amin’izany. Lanonana andro aman’ alina, ny 18 hatramin’ny 21 avrily. Efa anatin’ny famaranana ny fanomanana ireo mpikarakara ny “Festival Dôla Beach” andiany faha-13 […]




