Taratra

“Fojaeb” : Hifampizara traikefa ny tanora afrikanina

∑P11Tanora manodidina ny 500, avy amin’ny firenana 54 aty Afrika no handray anjara amin’ny Fihaonamben’ny tanora mahakasika ny toekarena manga (Fojaeb) andiany faharoa, ao Toliara. Hifampizara traikefa mandritra ny telo andro ao an-toerana ireo tanora afrikanina sy ireo manam-pahaizana maro ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony. Toerana ahitana ranomasina, renirano, seranan-tsambo, fanjonoana […]

« Africa Energy Transition Program »: Harafitra ny tondrozotra hampihenana ny karbona

Anisan’ireo firenena telo fitaratra aty Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izay ny tetikasa « Africa Energy Transition Program (Afretap) » tarihin’ny Vondrona afrikanina sy tohanan’ny Vaomieran’ny angovo afrikanina (Afrec). Miroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina i Madagasikara hiarovana ny tontolo iainana. Anke­hitriny, […]

Jean Nirina R. : « Tokony haverina ny rafitra fokonolona»

Maro ny olana saro-bahana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. « Tokony haverina sy homen-danja ny rafitra fokonolona eny anivon’ny fokontany », hoy ny sefo fokontanin’Anosizato Atsinanana, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, manoloana ny olana sendrain’ny fiarahamonina amin’izao fotoana. Misy fokonolona manao tsinontsinona ny fiarahamonina. Misy indray ireo […]

« World Games » – Tsipy kanetibe : Mirana sy i Yves no solontena malagasy

Hiatrika ny “Test event”, amin’ny “World Games” na “Jeux mondiaux” hatao any Chine eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,  Razafinakanga Mirana sy Rakotoarisoa Yves Sedrick. Omaly no nanainga izy mianadahy ireo. Mason­tsivana nifantenana azy ireo ny vokatra azony nandritra ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) natao teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo ny […]

Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]