Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Noho ny fiakaran’ny rano, nidina ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana eto Antananarivo Renivohitra rehefa naheno ny fisian’ny traboina eto. Nanao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo traboina teny amin’ny EPP Ankaditoho Marohoho, fokontany Ankaditoho, boriborintany fahefatra sy tao amin’ny Sabat Antohomadinika, boriborintany voalohany izy ireo. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana, nisy koa ny fanaovana vaksiny […]
Fianarantsoa: Nankatoavina ny fanamboarana ny Coliseum
Mitohy ny fanatanterahana ny tetikasam-panjakana nampanaovin’ny filoham-pirenena ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Hatsangana ao Fianarantsoa ny Coliseum faharoa lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’ny pole urbain tanàna vaovao ao Ambatomena no hananganana izany. Hahazaka mpijery 25 000 ny fotodrafitrasa ary hatramin’ny 30 000 miampy ny gradin […]
Oniversiten’ i Toamasina: Mpianatra 608 nahazo mari-pahaizana
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 21 marsa lasa teo ireo mpianatra 608 tao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy Toamasina. Nanaraka lalam-piofanana samihafa avy amin’ny toeram-pianarana telo izy ireo. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny governoran’ny faritra Atsinanana mpisolo toerana, Rakotovao Andry. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nahazo […]
Sekoly 30 havaozina sy haorina amin’ity taona ity: Ankizy 45 600 nahazo tombontsoa noho ny fandaharanasa “Sekoly Yas”
Sady manavao sy manangana efitranon-tsekoly vaovao ny fandaharanasa “Sekoly Yas” no manofana ny mpanabe ihany koa. Mba hahazoana fanabeazana manana kalitao ny antony. 10 taona nanohanana ny fanabeazana eto Madagasikara ny Fondation Axian sy ny orinasa Yas. Nitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra 45 600 manerana ny faritra 23 ny fanavaozana […]




