Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka ny 24 marsa lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra anaty efitrano, ho an’ireo Oniversite eto an-drenivohitra, na ny « Take Off ». Mahatratra 40 eo ireo mpandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa karakarain’ny Madagascar Futsal Association (MFA) ity hetsika ity. Hotontosaina manomboka ny 22 avrily ho […]

Klioban’ny Voix de la Sagesse : Miantso ny hijerena ny taranja savate

Nanatanteraka fifaninanana “Gala Andrefan’Iarivo”, taranja savate, ny klioban’ny Voix de la Sagesse, ny faran’ny herinandro teo, teny Am­bohijanahary. Namba­ran’ny filohan’ny klioba, Razafima­hatratra Joany Fanambinan­tsoa, fa taranja hain’ny Ma­lagasy ny savate saingy nangina tanteraka tato ho ato. Manao antso izy ny hijerena akaiky ny taranja ho an’olon-tokana toy ny savate izay […]

Lalao ara-pirahalahiana : Hifandona ny kalaza fahiny sy ny olo-malaza malagasy

Raikitra ihany izy ity. Hifandona etsy Mahamasina, anio, ireo mpilalao baolina kitra malaza fahiny tany ivelany sy ny olo-malaza malagasy. Natao hitadiavana vola hanamboarana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena eto Madagasikara ity hetsika ity. Hotanterahina anio, eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana “Alefa Ma­dagascar 2025”, izay hihaonan’ny Team des Héros, ivondronan’ireo […]

TARATRY ny KANTO

Tonga omaly i Oboy. Izy no vahiny andrasana manokana mandritra ilay «Match de gala» etsy Mahamadina, anio tolakandro. Amin’ny fotoam-pialan­tsasatra no hiakatra ny kianja ity frantsay mpanakanto mpanao rap fa teratany malagasy ity. Fanamarihana ny 29 marsa : misy fampirantiana mitety sekoly. Teny amin’ny Lycée Belanitra Ilafy sy Andriamborona Ambohimanga […]