Taratra

Ny maha olona… fototra

  Tato ho ato, mirongatra ny asan-jiolahy. Fanafihana mitam-piadiana, fakana an-keriny, famonoana olona… Tsy hita hotanisaina. Saika miharo herisetra sy habibiana hatrany izany. Nahoana? Tsy misy izay tahotra amin’ny fandatsahana aina. Na antitra io na zazakely, na lehilahy na vehivavy… Na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, na andro na alina… Lazain’ny mpandinika […]

Fitantanana eny ifotony : Nofanina momba ny tetibola ireo ben’ny Tanàna

Nitohy tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna vaovao. Nanatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny INDDL. Miompana amin’ny sehatra samihafa ny fanofanana. Nisitraka fanofanana ireo ben’ny Tanàna any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hatramin’ny oma­ly. Anisan’ny niompanan’izany ny fitantanan-draharaha […]

TSELATRA

Hita navelan’ny mpangalatra teny akaikin’ny hotely 206, Cité Haras Toamasina, ilay fiara tsy mataho-dalana nisy nagalatra teny akaikin’ny fiangonana Betela Tanambao V, ny alahady lasa teo. Hita teny an-toerana, tamin’ny 07 ora maraina io fiara io. Tonga nijery ny zava-misy sy nanamarina izany ny polisy. Nentina eny amin’ny kaomisaria kosa […]

Hita faty nihosin-dra: Lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny fony

Nihosin-dra tanteraka, fe­no ratra, ny faritry ny tratrany sy ny fon’ny lehilahy iray hita faty tao Manakara Reni­vo­hitra, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, omaly maraina. Mpan­dalo no nahatsikaritra fisiana olona nitsirara vao maraina amin’ny tany. Noza­han’ny mpiray monina, lehilahy iray voatrobatrobaky ny antsy teo amin’ny manodidina ny fony ity hita nitsirara […]

Mandritsara : Rava ny tambajotra mpanao vola sandoka

Vehivavy roa sy enin-dahy voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Antsahabe avaratra, kaominina Mandritsara, omaly maraina. Nahatratra mpangalatra ny fokonolona teo amin’ny fokontany Ambalanantsotry, io talata maraina io. Natahotra mafy ny ainy sy iharan’ny fitsaram-bahoaka, nitoroka ireo namany sy mpiray tsikombakomba taminy io lehilahy io. Nikasa hanaparitaka vola sandoka tao […]