Mbola manafatra vary i Madagasikara hamenoana ny filana eto an-toerana. Ny taona 2024, manodidina ny 262 000 taonina ny vary nafarana sy naparitaka teny an-tsena, manerana ny Nosy. Nidina io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 424 000 taonina (t), araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana. […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra an’ireo mpiara-miombona antoka ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra, tamin’izany, fa manamarika ny dingana efa vita izany sady efa fandraisana andraikitra eo anivon’ny CSI manoloana ity ady ity. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny eo anivon’ny Apipa […]
Andrianainarivelo Hajo: “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”
Andrianainarivelo Hajo “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka” Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka. Tsy azo ekena velively ny hala-bato sy ny bodongerona atao amin’ny vahoakan’Antsiranana”, hoy izy. Nambarany fa […]
Sivano!
Mahoraka indray ny resaka fanovana governemanta amin’izao fotoana izao, andaniny. Misisitsisika moramora eny koa ny mpanohitra, ankilany. Samy tsy hita be ihany izay tena marina amin’ny fihodin’ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Ny zava-misy aloha, miandry lava ny fahagagana ilay vahoaka madinika sy ny tsy manan-tsiny. Misy tokoa aloha […]
Fihaonana an-tampony “WGS 2025” : Hanana anjara fitenenana ny filoha Rajoelina Andry
Voaasa manokana ny filoha Rajoelina Andry hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), any Dubaï, Émirats Arabes Mitambatra. Tanterahina ny 11-13 febroary ny fihaonana ka efa any an-toerana ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. 30 any ho any ireo filoham-panjakana hanatrika izany. An-jatony ireo mpandray anjara, ahitana filohana fikambanana iraisam-pirenena […]




