Ilay reny mampianatra ny zanany hiteny voalohany mihitsy no tsy manisy hasiny ny tenindreny. 21 febroary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Ny paika na tetika hamerenana ny Malagasy hampiasa sy hiaina ny tenindreny no mila karohina haingana. Maninona ny reny no mampiasa ny teny vahiny hiresahany amin’ny zanany? Naninona no […]
Taratra
Dina Mialinelina : « Tokotany midadasika hanehoana ny forona ny mozika »
Tsara toerana hibata ny “Prix Découvertes RFI 2025 » ny tarika Dina M. Efa manoritra ny lalany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ry zareo. “Rakemba”. Io ny lohatenin’ilay rakikiran’ny tarika Dina M, nivoaka ny faramparan’ny taona 2024 teo. Malaza be, satria maneho ilay « renibe », izay midika fahanterana, voky traikefa ary nahita […]
INDRAY MIJERY
Tsy hisy fiforonana rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara mandritra ny herinandro fa tombanana hahazo vahana kokoa ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Hanoram-baratra amin’ny ankapobeny saika manerana ny Nosy, mandritra ny herinandro. Tombanana ho betsaka kokoa izany ho an’ny afovoantany sy […]
Fampianarana ambony -Toamasina: 15 taona ny fakiolten’ny Fitsaboana
Nankalaza ny faha-15 taona nijoroany, nandritra ny roa andro, teto Toamasina, ny sampam-piofanana Fitsaboana, eo anivon’ny Oniversiten’ i Barikadimy Toamasina. Notarihin’ny dokotera zokiolona eo anivon’ny sampam-piofanana, Ramawanasoa Marinette, sy ny teo anivon’ny fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny hetsika. “Ny fahasalaman’ny daholobe ho an’ny faritra Atsinanana” no […]
Olana ara-bola : Lasibatry ny famarinan’ olona ny tanora
Mahatonga faharefoana ny tsy fananana fidiram-bola azo antoka, indrindra tsy manana fahaleovantena ara-bola, na ho an’ny tanora na ho an’ny efa manana tokantrano. Mahatonga fiankinandoha amin’ny hafa izany ka lasa vesatra ho an’ny manodidina. “Miteraka fanararaotana ihany koa rehefa tsy manana fahaleovantena ara-bola. Maro ireo tanora malagasy no lasibatry ny […]




