Taratra

Andrianainarivelo Hajo: “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”

Andrianainarivelo Hajo “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka” Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka. Tsy azo ekena velively ny hala-bato sy ny bodongerona atao amin’ny vahoakan’Antsiranana”, hoy izy. Nambarany fa […]

Sivano!

  Mahoraka indray ny resaka fanovana governemanta amin’izao fotoana izao, andaniny. Misisitsisika moramora eny koa ny mpanohitra, ankilany. Samy tsy hita be ihany izay tena marina amin’ny fihodin’ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Ny zava-misy aloha, miandry lava ny fahagagana ilay vahoaka madinika sy ny tsy manan-tsiny. Misy tokoa aloha […]

Fihaonana an-tampony “WGS 2025” : Hanana anjara fitenenana ny filoha Rajoelina Andry

Voaasa manokana ny filoha Rajoelina Andry hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), any Dubaï, Émirats Arabes Mitambatra. Tanterahina ny 11-13 febro­ary ny fihaonana ka efa any an-toerana ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. 30 any ho any ireo filoham-panjakana hanatrika izany. An-jatony ireo mpandray anjara, ahitana filohana fikambanana iraisam-pirenena […]

TSELATRA

Hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsa­rana ny fianakavian’ireo olona efatra niara-maty tetsy amin’ny fokontany Ivolaniray-Anosibe, ny alakamisy teo, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny sampana fikarohana heloka bevava kosa izy ireo, raha ny fanazavana. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina tany Tapa­kala, kaominina manakaiky […]