Taratra

Mahavoasazy : Voarara ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila

Mahavoasazy ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila. Betsaka loatra ny jiolahy mampiasa ireny akanjo ireny, entiny hanaovany ny asa ratsy ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Emmo-nat, omaly. Hisy, araka izany, ny fisavana sy fanaraha-maso eny rehetra eny manomboka izao, raha ny fanazavana voaray. « Hatramin’ny […]

Fanapoizinana tamin’ny sakafo : 41 mianaka narary tany amin’ny mariazy

Niara-naiditra hopitaly ny olona 41 mianaka, omaly. Voapoizina tamin’ny sakafo izy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo. Avy namonjy fiaraha-misakafo tamin’ny toerana fandraisana lanonana iray. Olona 41, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaliben’i Tambohobe-Fianarantsoa, nanomboka omaly. Niara-nifety sy na­monjy lanonana fampiakaram-bady tany amin’ny trano fandraisana lanonana iray tany Antsororonkavo Maha­ma­nina izy ireo, ny […]

Tapakala – Toamasina : Raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina

Raim-pianakaviana iray tra-doza natelin’ny ranomasina tao Tapakala, anatin’ny kominina manakaiky tanàna Toamasina ambanivohitra, tokony ho tamin’ny 3 ora tolak andro sy 50 minitra, ny alahady 9 febroary teo. Hatramin’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy hita izay misy azy. Manao ny fikarohana kosa ny rehetra indrindra ireo fianakaviana sy ireo […]

Rajoelina Razakandisa Arena : Nahavita ny fianarana momba ny fitantanana hotely

Nizara ny hafaliany tamin’ny vahoaka malagasy, omaly, ny fianakavian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nasongadiny ny fahavitan’ny zanany lahimatoa ny fianarany. Nahavita ny fianarany omaly, Rajoelina Ra­zakandisa Arena, zanaka lahimatoan’ny filohan’ny Repoblika malagasy. Nahazo ny mari-pahaizana manokana momba ny fitantanana hotely, tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne izy. Efa-taona no faharetan’ny fianarana […]

Vondrona mpamonjy voina Toamasina: Nahatratra 76 ny haintrano nanaovana asa famonjena

Maro ny haintrano novonjen’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasi­na, ny taona 2024 sy ny 2025 diavina ity. Ankoatra ny haintrano, mandray an­draikitra amin’ireo loza eny anivon’ny fiarahamonina ko izy ireo. Niavaka raha tena niavaka ny trangam-pirehetana tamina karazan-javatra maro teto Toamasina ny taona 2024 sy ny fiando­han’ny taona 2025. Nandrai­san’ny […]