Natao ny 20 janoary 2025 teo, tany Mahajanga, ny fampahafantarana manokana ny lanjan’ny fizahantany any amin’ny faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka-Belemboka. Nikarakara ny fotoana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny (ORTB). Mampiavaka azy ny fananany ala honko, sy zavatra samihafa azo tsidihina. Toerana 30 km miala an’i Mahajanga, amin’ny RN4. Ahitana […]
Taratra
Angovo MAITSO: Hofanina ireo vehivavy
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PNBC Madagasikara ny fanofanana ny vehivavy 30 hatramin’ny 50 taona any Tsiafajavona sy Ambatolampy. Voakasik’izany ny fikirakirana, fanamboarana ary fametahana ny fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro. Ampianarina koa izy ireo hahaleo tena ara-bola sy ara-pivelomana. Natao ny 7 febroary teo, teto Antananarivo, ny fihaonana tamin’ny […]
Base Toliara: Manomboka ny fandraisana mpiasa sy fampiofanana
Omena tombondahiny ny olona avy ao an-toerana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny tetikasa Base Toliara. Ampirisihina ny tanora hanaraka fiofanana. Ela niandrasana! Anisan’ ny tena nandrandrain’ny mponina any an-toerana, hatry ny ela, ny hampidirana azy ireo ho anisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara. Koa, zava-dehibe tokoa ny fanazavana natao ny […]
Nandritra ny taona 2024: 262 000 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara
Mbola manafatra vary i Madagasikara hamenoana ny filana eto an-toerana. Ny taona 2024, manodidina ny 262 000 taonina ny vary nafarana sy naparitaka teny an-tsena, manerana ny Nosy. Nidina io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 424 000 taonina (t), araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana. […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra an’ireo mpiara-miombona antoka ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra, tamin’izany, fa manamarika ny dingana efa vita izany sady efa fandraisana andraikitra eo anivon’ny CSI manoloana ity ady ity. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny eo anivon’ny Apipa […]




