Taratra

Fandrindram-piterahana taona 2024 : Niakatra ho 55,5 % ny tahan’ ny fampiasana azy

Misandrahaka mankany amin’ny fanatsarana ny tolotra sy ny rafitra ara-pahasalamana ary ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny fijerena ny maha olona ny asa sy ny ezaka rehetra notanterahina eto anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Niakatra ho 55,5 % ny tahan’ny fampiasana fa­nafody fandrindram-piterahana, ny taona 2024. 4 192 095 ny isan’ireo vehivavy nampiasa tsy tapaka ny […]

Taranja Jiu-jitsu : Manampy ny ankizy hahay hanaja sy hifehy tena

Raha eto Madagasikara, azo lazaina ho taranja mbola zandriny, ny Jiu-jitsu Brezi­liana. Mbola taona vitsy monja izay no nampidirana azy teto an-toerana ary nivoatra tsikelikely izany. Klioba maro no mampianatra ity taranja ity. Anisan’izany ny Klioba Club 101 Jiu-jitsu. Sokajy rehetra no mianatra ny Jiu-jitsu Breziliana ao amin’ity Klioba ity […]

Fanomanana ny Chan : Nanahirana ny Barea ny ekipan’ ny PFL

Nisongadina ny mpilalao voafantin’ny PFL, ny sabotsy lasa teo, tetsy Mahamasina raha nifanandrina tamin’ny Barea Chan. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny roa tonta. Maro ireo baoliana navotan’i Nina, mpiandry tsatoby Barea. Sahirana tanteraka ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar Chan, raha nifandona tamin’ny ekipa voafantin’ny Pureplay Football League […]