Miverina indray ny kotrana ataon’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, Ankoay, eny Imerikasinina, nanomboka ny sabotsy maraina teo. Natao izany mba hanamafisana ny tanjaka ho an’ny Ankoay, lehilahy. Ho fiatrehana ny fifanintsanana farany amin’ny « Afrobasket 2025 » ny fanazarantena natao. Mitohy indray ny fifaninanana hankalazana ny faha-15 taonan’ny At2B Andraisoro rehefa niato […]
Taratra
Grand Maître Avoko : “Fotoana fampiakarana ny vokatra izao”
Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampiofanana eo anivon’ny taranja Kung fu. Ny ligin’ny Kung fu Analamanga indray no nisitraka izany. Maîtres maro no nanaraka ny fiofanana sy ny fanazarantena, niaraka tamin’ny Grand Maître Avoko. Tanjona amin’izao fitetezana faritra izao, ny hanatsarana hatrany ny vokatra ho an’ny taranja Kung fu. “Fotoana […]
Baolina kitra: Maniry ny hiaro ny voninahi- pirenena i Bolo
Efa akaiky ny lalao roa hihaonana amin’i Centrafrique sy i Ghana. Misy ireo Malagasy mpilalao milaravinahitra any ivelany, vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny ekipa nasionaly Barea. Ankoatra ny ao Frantsa sy La Réunion ary ireo firenena manodidina, misy Malagasy mpilalao baolina koa any Allemagne. Anisan’izany i Voahariniaina Kanto Fitiavana […]
TARATRY ny KANTO
Tsy mbola zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tahiry. Tsy ilay atao any am-bata akory fa ilay tantara tsy azo hamaivanina. Angon-tahiry anisan’ny tsy ampy ao amin’ny ankohonana iray no mety hitarika any amin’ ny faharavan’ny maha izy azy tanteraka… Miafara any amin’ny fahavoazan’ny fiarahamonina iray manontolo. Ny malagasy sasany indray, […]
« Volam-pahavaratra » : Tsara fanombohana ny antsam-paribolana
Endrika liana ! Resaka mifamatotra tsara ! Fifantohana tafalatsaka lalina ! Tsiky miara-paly ! Sento miara-midona. Feno ny efitrano… Fihetsika namantarana avy hatrany fa nanana ny lanjany teo amin’ny nanatrika ny zava-nisy teny an-tsehatra. Tsara fanombohana ny taona 2025 ho an’ny antsam-paribolana. Notanterahina ny 25 janoary teo, tetsy amin’ny Cercle Germano-malagasy Analakely ny « Volam-pahavaratra ». […]




