Vaovao anisan’ny nampahafantarin’ny Tanora Masina Itaosy ireo mpitia antsa sy fiderana ny fanombohana ny taom-pitoriana ho an-dry zareo. Fantatra fa ilay seho lehibe « Santatra sy Fiderana 2025 » no hanana endrika fanomezana ho an’ ny olon-drehetra. Tsy hisy ny vidim-pidirana. Fampisehoana hotanterahina ao amin’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha, ny sabotsy 1 […]
Taratra
Fampitiavana ny jazz : Hanao hetsika isaky ny alatsinainy ny Jazz Club CGM
Iray amin’ny sehatra lehibe hivelaran’ny tontolon’ny jazz ny Cercle Germano-Malagasy na ny CGM etsy Analakely. Nohatevenin-dry zareo avy ao amin’ny Jazz Club izany ka itondrany hetsika lehibe isaky ny alatsinainy. Fivelarana, fampitiavana, famohazana talenta, fanatevenana traikefa, fifanakalozana… Anisan’ny ampahany amin’ilay fandaharanasa vaovao tontosain’ny Jazz Club CGM GZ isaky ny alatsinainy, ao […]
FANTINA sy FINTINA
Voafidy ny zoma teo ny biraon’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Filoha, maharitra, Andriamparany Guy Ralitera avy amin’ny Irmar. Filoha lefitra kosa ny amin’ny HE Mada, Toavina Ralambomahay. Mpampiaka-teny voalohany Navalona Francky Rakotoaritiana (Mouvement Gasikara) ary mpampakan-teny faharoa ny Tim, Nomenjanahary Nasandratra. Nambaran-dRakotoarisoa Alban na i Gangstabab fa nisy namadika ireo mpanolotsaina […]
Depiote Fomendraza Haingo Elisette : «Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka»
“Matanjaka hatrany ny vondrona politika miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka, fa tokony hiara-miasa tanteraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro”. Io fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, i Fomendraza Haingo Elisette, tany amin’ny renivohitr’i Matsiatra Ambony, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny valim-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana […]
Fahasahiranana mba aoka…
Fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana noho ny haintany… Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro… Izany no manahirana ny vahoaka amin’izao, tanisain’ny mpanao politika sasany fa mila fifanatonana, fifampidinihana, vahaolana. Izay ela izay, tsy nisy resaka firy an’izany na tanisaina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka. Noho ny […]




