Taratra

Fizahantany : Fiaraha-miasa amin’ ny TSF any Frantsa

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ny «Tourisme sans frontière» (TSF). Mifantoka amin’ny lohahevitra efatra ny fiaraha-miasa. Fanamafisana ny fahaiza-manao ny ofisim-paritry ny fizahantany, amin’ny lafiny fifehezana ny tsena sy ny varotra, toy ny fikarakarana […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: Hapetraka ny paikady vaovao ho an’ny famokarana

Tanjon’i Madagasikara ny hahaleo tena ara-tsakafo. Hametraka paikady vaovao ny fanjakana sy ny mpisehatra isan-tsokajiny, hanatrarana izany. Atao eny amin’ny CCI Ivato, omaly sy anio (23-24 janoary), ny Fikao­nandoham-pirenena ho an’ny fanatsarana ny fambolena. Nanokatra ny fotoana ny filoha Rajoelina Andry, nilazany fa tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voakasik’izany avokoa ny […]

Hery Fiarovana sy ny filaminana : Tomban’ezaka momba ny zava-bita sy fanatsarana

«Andraikitry ny Foloa­linda­hy manoloana ny firenena». Io no lohahevitra entin’ny Tafika Malagasy miatrika ny fivoriamben’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, omaly. Nanokatra izany ta­min’ny fom­ba ofisialy ny minisitry ny Folo­alindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ny mi­nisitry ny Fi­laminam-bahoaka, ny contrôleur général […]

Echecs-2025 : Hosokafana amin’ ny ekipa « mixte »

Toy ny taranja rehetra, miomana amin’ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 ihany koa ny taranja lalaon-tsaina Echecs. Ho fanombohana ny taona, ny fifaninanana natokana ho an’ny ekipa sokajy «mixte» no hisantaran’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs ny fandaharam-potoanany, amin’ity 2025 ity. Araka izany, hisy ny lalao fanokafana ny taom-pikatrohana izay hatao ny […]

Fiarovana ny tany : Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra

Ho fanakaikezana bebe kokoa ny vahoaka. Nofanina ireo mpanao gazety any amin’ny faritra mba hampahafantatra ny lalàna eo amin’ny fananan-tany. Miara-miasa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny avy amin’ny Foibem-pitantanana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany itsinjaram-pahefana (DSFD) ary ny FAO ho amin’ny fampanjariana izany. Samy […]