Taratra

Mifamono

  Nahaontsa ny maro ny zava-nitranga, omaly. Aina roa no indray nafoy, vokatry ny taribin-jiro tsy voaaro eny anivon’ny fiarahamonina eny. Nandatsa-dranomaso ny maro ny nahalalana fa niezaka ny nanala sy nanavotra ny namany ny iray. Tsy nisy azo nialana nenina fa niara-nody any amin’ny Ray, tao anatin’ny indray mipi-maso […]

Ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ho ben’ny Tanàna an-dRamanantsoa Harilala. ” Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”, hoy izy. “Manantena aho fa ny politika dia tsy sa­kana intsony ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna”, hoy ny ben’ny Ta­nàna, Antananarivo Renivo­hitra, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny lanonana […]

TSELATRA

Tsy mbola nisy tratra ireo gadra 14 nandositra tany amin’ny fonjaben’i Maintirano, ny talata 21 janoary lasa teo. Voalaza fa nihanika tamboho izy ireo ka tafaporitsaka. Voaheloka higadra mandrapahafaty, hiasa asa an-terivozona 20 taona, 15 taona, 10 taona, fito taona izy ireo. Voaheloka tamin’ny fanolanana, vono olona, fangalarana sy ny […]

Fifamalian’ny mpivady : Maty notsatohan-dRangahy antsy ny vadiny

Nitrangana ady mivady niharo herisetra ka niafara tamin’ny fandatsahan’aina ta­ny Bealanana II, omaly maraina. Tsy nahatana ny hatezerany diso tafahoatra ny lehilahy iray manodidina ny 24 taona, nandritra ny fifamaliana nisy teo amin’izy mivady. Naka antsy izy avy eo ary notsatohany tamin’io fitaovana maranitra io ny vadiny. Ani­san’ny voatsatoka mafy […]

Antohomadinika : Jiolahy roa lahy maty voatifitra

Nifanenjehan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny UIR, CUI niampy ny SUT, jiolahy roa lahy niara-lavon’ny tifitra teny amin’ny fokontany IVO Antohomandinika, ny amin’ny alakamisy 23 janoary teo. Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy tamin’io fokontany io. Dimy lahy ireo nanao ny asa ratsy. Naharay fampandrenesana, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana […]