Taratra

Antetezanafovoany I : Roa lahy niara-matin’ ny herinaratra

Tovolahy roa samy 17 taona, niara-matin’ny herinaratra tetsy Antetezanafovoany I, omaly maraina. Nanavotra ilay namany ny iray kinanjo niharan-doza izy roa lahy. Nitsirara tamin’ny tany, niendaka avokoa ny hoditra tamin’ny iray amin’ireo roa lahy may ny herinaratra tetsy amin’ny fo­kontany Antetezanafovoany I, boriboritany voalohany, oma­ly vao mangirandratsy. « Han­deha hivoaka ny […]

Distrikan’i Tsihombe : Ankizivavy 16 taona hita faty tapa-doha

Notapahan’ny tsy matahotody ny lohan’ilay ankizivavy vao 16 taona tao Marovato, distrikan’i Tsihombe, ny alin’ny talata hifoha ny 22 janoary teo. Mpandalo no nahita ny fatin’io olona nisy namono io. Nariana tany amin’ny toerana nangingiana ny vatan’io ankizivavy vao erotrerony io. Nentin’ireo jiolahy nanaraka azy ny lohany. Niezaka nikaroka ireo […]

Ankorondrano : Tanora 100 miatrika fiofanana momba ny loza ara-boajanahary

Hifarana androany ny fampiofanana tanora mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary (GRC). Fio­fanana nanomboka omaly, tanterahina etsy anivon’ny QG Tanora Ankorondrano. Atri­kasa karakarain’ny CCMAJ eo anivon’ny ministeran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena. Ampiofanina mahakasika ny fahaiza-manao entina miatrika ny loza ara-boajanahary izany ireo tanora ireo. Mba hahay handray an-tanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanohana antsika amin’ny famokaram-bary i Korea Atsimo. Eo koa ny indostria vaventy toy ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany ary ny fifanakalozana ara-barotra. Nivoitra ireo nandritra ny fihaonan’ny masoivoho, Park Ji-Hyun sy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vita ny fanarenana ny lalana tena ratsy […]

Andranovory-Ambovombe : Natomboka ny fanarenana ny RN10

Fanamby lehibe napetraky ny filoha Rajoelina Andry ny fanombohana amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RN10, mampitohy an’Andranovory sy Am­bovombe. Efa natao ny ampahan-dalana mirefy 4 km tamin’ny alalan’ny Famatsiambola anatiny (RPI). Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, omaly, […]