Tsy mitsahatra mivoatra! Hitombo ho in-6 isan-kerinandro ny zotra fiaramanidina Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo atsy Mahe Seychelles, manomboka ny 2 avrily 2025 izao, raha in-4 izany ankehitriny. Nambaran’ny filoha lefitry ny fitantanan-draharaha Azia Andrefana sy ny ranomasimbe Indiana ao amin’ny kaompania Emirates, Essa Sulaiman Ahmad, omaly, fa […]
Taratra
Fadintseranana malagasy: nitombo 101% ny haba tafiditra ny taona 2024
Tapitra ny faran’ny taona 2024 teo ny dimy taona voafaritry ny drafi-panarenan’ny fitantanana foibe ny haban-tseranana (DGD) malagasy. Nahomby ny vokatra azo. Dingana vaovao indray ny drafi-panarenana ny fitantanana ny haban-tseranana na ladoany malagasy ho an’ny dimy taona manaraka (2025-2029). Raha asiana jery todika ny teo aloha, nahomby ary nihoatra […]
Tselatra
Velarantany 220 ha may nandritra ny taona 2024. Valan-javaboahary arovana ny 10 ha tamin’ireo. Mpandoro ala miisa 15 efa notanana am-ponja. Heloka niniana natao avokoa ny ankamaroany niampangana ireo nahavanon-doza. Mpiondrana antsokosoko miisa 73 tra-tehaky ny zandarimaria nandritra ny taona 2024. Nahitana fihenana io tranga io raha oharina tamin’ny taona […]
Niaraka tamin’ny vinantony: lehilahy hita faty voatsatoka antsy
Voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anivorano2, kaominina ambanivohitr’i Sahalanona, distrikan’Ikongo, ny 13 janoary 2025. Tonga nampilaza tao amin’ny biraon’ny zandary, tamin’io fotoana io, ny sefo fokontany Anivorano2 fa nisy olona novonoin’olona tao amin’ny fokontany iadidiany. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]
Nangalatra 4×4 Land Cruiser: efa-dahy nalefa eny Antanimora
Voasambotry ny zandarimaria ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny halatra fiara tsy mataho-dalana teny Ivato, ny 5 janoary teo. Naharay fitoriana avy tamin’ny tompon’ny fiara marika “Toyota Land Cruiser” ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola, tamin’io andro io. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa fantatra ny toerana nahitana farany ny […]




