“Miantso fitoniana isika amin’izao fotoana izao. Aoka tsy hakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny teny fihantsiana hoe fanaovana iray sy iray. Raha fanaovana sy fifanandrinana politika no resahina: ny iray sy iray, efa vita ny fifidianana filohan’ny Repoblika”. Io ny hafatry ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny […]
Taratra
minisiteran’ny fitsarana: hatsangana ny fisafoan-draharaha ankapobeny
Hatsangana amin’ity taona ity ny Fisafoan-draharaha ankapoben’ny fitsarana (Inspection générale de la justice). Fantatra izany tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Notanterahana omaly ny fifampiarahaban’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fitsarana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025. Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitra fa hapetraka amin’ity taona ity ny fisafoan-draharaha […]
Tselatra
Nisy namaky ny alahady hifoha alatsinainy teo ny Emetteur an’ny orinasan-tserasera amin’ny alalan’ny fahitalavitra tsy miankina iray etsy Ambohimitsimbina. Hita sy fantatra izany nandritra ny fizahana nataon’ny teknisiana teny an-toerana, omaly maraina. Nisy fahatapahana kely ny fandehanan’ity fahitalavitra ity tamin’ny 12 ora alina talohan’io andro io. Namerina izany kosa ny […]
Fahamaizana radio tsy miankina: voafehy tao anatin’ny 43 minitra ny afo
May omaly tamin’ny 01 ora sy 20 minitra maraina ny studio an’ny radio tsy miankina iray, etsy Ankaditapaka Manjakamiadana. Naharay antso mahakasika ny tranga ny avy amin’ ny sampana mpamonjy voina ka niainga avy hatrany roa minitra taorian’ny antso. Niaraka tamin’ny fiarabe mpamono afo anankiroa avy ao amin’ny foibe Tsaralalàna, […]
Efa-dahy nanafika teny Andranomena: “Tranombarotra iray tombanana ho voaroba 20 miliara Ar”, hoy ny polisy
Nisy nanafika ny tranombarotra lehibe iray eny Andranomena, omaly. Voalazan’ny polisy teny an-toerana fa tombanana ho 20 miliara Ar ny vola very. Tsy nahazoam-baovao ny lasibatra nandritra ny fanadihadiana teny an-toerana. Jiolahy efatra nitondra moto roa, nandroba vola tamin’ny sakaosy teny Andranomena, omaly. « Nitaingina moto scooter marika Racing ny roa […]




